Valian’ny Tompo ve ny fanompoam-pivavahana rehetra? Iza ary hanao inona ny iraky ny Tompo amin’izany ?

Mofonaina anio: Talata, faha 26 Septambra 2023

Asan’ny Apostoly 13,1-12

Asan'ny Apostoly 13,1 - 12
1 [Ny nandefasana an'i Barnabasy sy Saoly ho misionera, sy ny nampianarany tao Kyprosy] Ary teo amin'ny fiangonana tany Antiokia nisy mpaminany sy mpampianatra: Barnabasy sy Simeona, izay atao hoe Nigera, sy Losio Kyreniana sy Menahema (izay niolonono tamin'i Heroda mpanapaka) ary Saoly. 2 Ary raha nanao fanompoam-pivavahana ho an'ny Tompo sy nifady hanina ireo, dia hoy ny Fanahy Masina: Atokàny ho Ahy Barnabasy sy Saoly hanao ny asa izay efa niantsoako azy. 3 Ary rehefa nifady hanina sy nivavaka ary nametra-tanana taminy izy, dia nandefa azy. 4 Ary rehefa nirahin'ny Fanahy Masina izy roa lahy, dia nidina nankany Seleokia izy ka niondrana an-tsambo teo hankany Kyprosy. 5 Ary nony tonga tany Salamisy izy, dia nitory ny tenin'Andriamanitra teny amin'ny synagogan'ny Jiosy; ary nitondra an'i Jaona koa ho mpanampy azy izy. 6 Ary rehefa namaky ny nosy ka tonga tany Pafo izy, dia nahita Jiosy anankiray atao hoe Barjesosy, mpanao ody sady mpaminany sandoka, 7 izay nitoetra tao amin'i Serygio Paolo, governoran'ny tany sady lehilahy hendry; ary izy nampaka an'i Barnabasy sy Saoly hankao aminy ka naniry mba hahare ny tenin'Andriamanitra. 8 Fa Elyma, mpanao ody (fa izany no anarany, raha adika), nanohitra azy roa lahy sady nitady hampivily ny governora tsy hanaiky ny finoana. 9 Fa Saoly kosa, izay atao hoe koa Paoly, feno ny Fanahy Masina, dia nibanjina azy 10 ka nanao hoe: Ialahy feno ny fitaka rehetra sy ny fahafetsena rehetra, ialahy zanaky ny devoly sady fahavalon'ny fahamarinana rehetra, tsy hitsahatra tsy hamily ny lala-mahitsin'ny Tompo va ialahy? 11 Ary, indro, ankehitriny ny tanan'ny Tompo hamely an'ialahy, dia ho jamba ialahy ka tsy hahita masoandro aloha. Dia latsaka tao aminy niaraka tamin'izay ny mampanjambena sy ny aizina, ary niraparapa nitady olona hitantana azy izy. 12 Ary ny governora, nony nahita izay efa natao, dia nino sady talanjona tamin'ny fampianaran'ny Tompo.

1- Mifidy sy maniraka mpanompo ny Tompo

Ambaran’ny Soratra Masina eto fa nanatanteraka fanompoam-pivavahana narahina fifadian-kanina ny Fiangonana. Ny tiana ambara amin’izany dia tsy hoe izany no filamatra ka tokony hanao tahaka izany avokoa ny Fiangonana hafa rehetra. Ny zava-misy mantsy dia hita fa sodokan’ny endrika ivelany sy ny fombafomban-javatra ihany ny maro mandritra ny vavaka atao. Tsarovy tsara anefa ilay hoe « « fanompoam-pivavahana » , izany hoe : manompo an’Andriamanitra mihitsy no atao amin’izany vavaka tanterahina izany. Izay tiana ambara eto àry dia izao : nanatanteraka vavaka tamin’ny fo feno tahotra sy fanajana an’Andriamanitra ny Fiangonana, vavaka tsy misy fihatsarambelatsihy, lavitry ny fiheboheboan’ny olona sy ny fanarahana fombafomba ivelany fotsiny ihany. Ny tahaka izany no fanompoam-pivavahana takiana sy valian’Andriamanitra.

2- Manao asa misiona ny iraka

Samy manana ny iraka tandrify azy avokoa ny mpanompon’Andriamanitra rehetra ary Izy Tompo mihitsy no manondro izay tandrify sy sahaza ny tsirairay. Mazava tsara mantsy eto ny teny hoe « hanao ny asa izay efa niantsoako azy« . Ny Tompo Andriamanitra izany dia efa nanomana ny tsirairay sy ny fikambanana koa ho amin’izany asa fanompoana tandrify izany.

3- Milaza ny fahazavana amin’izay mila izany ny iraka

Mahavariana ihany ny filazana eto hoe : Sergio Paolo dia olona manam-pahefana sady hendry nefa dia nanaiky an’i Elyma mpaminany sandoka. Tsy avelan’Andriamanitra ho voafatotra mandrakariva anefa ireny fa indro Izy maniraka olona hitory ny Filazantsara marina.

Fanontaniana

Valian’ny Tompo ve ny fanompoam-pivavahana rehetra? Iza ary hanao inona ny iraky ny Tompo amin’izany ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM