Tsy maintsy tanteraka ny tenin’ny Soratra masina
Mofonaina anio: Alahady, faha 24 Septambra 2023
LIOKA 24.44-49
LIOKA 24.44-49
44 Dia hoy Izy taminy: Izao no teniko izay nolazaiko taminareo, fony mbola tao aminareo Aho, fa tsy maintsy ho tanteraka izay rehetra nanoratana Ahy teo amin'ny lalàn'i Mosesy sy ny mpaminany ary ny Salamo. 45 Dia nanokatra ny sain'ireo Izy hahalala ny Soratra Masina. 46 Ary hoy Izy taminy: Izany no voasoratra, fa Kristy hiaritra ka hitsangana amin'ny maty amin'ny andro fahatelo; 47 ary mba hotorina amin'ny anarany ny fibebahana sy ny famelan-keloka amin'ny firenena rehetra, manomboka eto Jerosalema. 48 Ary ianareo no vavolombelon'izany. 49 Ary, indro, Izaho mampitondra ny teny fikasan'ny Raiko ho anareo; fa mitoera eto an-tanàna mandra-panafiana anareo amin'ny hery avy any amin'ny avo.1-Tsy maintsy tanteraka ny tenin’ny Soratra masina
Efa niteny i Jesoa Kristy fa ny Zanak’olona dia holavin’ny olona ka hijaly mafy ary hovonoiny,nefa amin’ny andro fahatelo kosa dia hitsangana . Tsy noheverin’ny mpianatra ho zava-dehibe mihitsy anefa ny herin’ny fahatanterahan’ny Tenin’Andriamanitra .Eo anatrehan’ izany dia asehon’i Jesoa Kristy fa marina ary tsy maintsy hotanteraka izay efa voalazany , satria izany no Tenin’Andriamanitra .Araka izany ,tsarovy fa ny Tenin’Andriamanitra miantefa amintsika kristiana dia tsy teny mandalo fotsiny akory fa tsy maintsy hotanteraka avokoa .
2-Tsy mandeha ho azy ny fahalalana ny Soratra masina
Mis ve olona tena mazoto mikirakira baiboly ? Ary resy lahatra hankato ny sitrapon’Andriamanitra ve izy amin’izany ? Tsia no valiny , satria misy ireo mazoto ho an’Andriamanitra ,saingy tsy araka ny fahalalana ary misy koa ireo mianatra mandrakariva nefa tsy mahatratra ny fahalalana ny marina.Ny fanazavana sy ny fitarihan’ny Fanahy Masina irery ihany no hany làlana hahafahan’ny olona rehetra mandray sy mahazo ary miaina izay ambaran’ny Soratra Masina .
3-Hotoriana ny fibebahana sy ny famelan-keloka
Mampanantena fianam-baovao ho an’ny olona ny Tompo ,kanefa dia tsy maintsy manaiky ny fibebahana ary mandray ny famelankeloka alohan’izany ny olona.Tsy mandeha ho azy anefa izany fa tsy maintsy misy fampianarana sy fandresen-dahatra mba haneken’ny olona sy hialany amin’ny fahadisoany sy ny fahotany .Izany no fitoriana ataon’ny fiangonana araka ny iraka nampanaovin’ny Tompo azy ary tsy hahavita hiasa irery amin’ny heriny ny olona amin’izany raha tsy eo ny Tompo .
Fanontaniana :
Mino ve ianao fa tsy maintsy ho tanteraka izay voalazan’ny Soratra masina ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM