Ny hevitr’i Jesoa momba ny fahalotoan’ny olona

Mofonaina anio: Asabotsy, faha 23 Septambra 2023

MARKA 7.14-23

MARKA 7.14-23
14 Ary niantso ny vahoaka hankeo aminy indray Izy ka nanao taminy hoe: Mihainoa Ahy ianareo rehetra, ka mahafantara. 15 Fa tsy ny zavatra avy eo ivelany izay miditra ao anatin'ny olona no mahaloto azy; fa izay mivoaka avy ao anatin'ny olona no mahaloto azy*. [*Ampio hoe:] 16 [Raha misy manan-tsofina ho enti-mihaino, aoka izy hihaino] 17 Ary rehefa niala teo amin'ny vahoaka Izy ka niditra tao an-trano, dia nanontany Azy ny mpianany ny amin'izany fanoharana izany. 18 Ary hoy Izy taminy: Hay! ianareo koa aza mba tsy mahafantatra! Tsy fantatrareo va fa izay rehetra eo ivelan'ny olona ka miditra ao anatiny dia tsy mahaloto azy, 19 satria tsy miditra ao am-pony izany, fa ao an-kibony ihany, ka dia mivoaka ao amin'ny fivoahana; izany no nolazainy mba hahadio ny hanina rehetra. 20 Ary hoy Izy: Izay mivoaka avy ao amin'ny olona, dia izany no mahaloto azy. 21 Fa avy ao anatin'ny olona dia avy ao am-pony, no ivoahan'ny sain-dratsy, dia ny fijangajangana, ny halatra, ny vonoan-olona, ny fakam-badin'olona, 22 ny fieremana, ny lolom-po, ny fitaka, ny fijejojejoana, ny maso ratsy, ny fitenenan-dratsy*, ny avonavona, ny fahadalana:[*Gr. blasfemia; izahao Mat. 9. 3] 23 izany zava-dratsy rehetra izany no mivoaka avy ao anatin'ny olona ka mahaloto azy.

Ny hevitr’i Jesoa momba ny fahalotoan’ny olona

Miresaka ny zavatra mampahaloto na tsia ny olona i Jesoa Kristy eto. Raha vao miresaka fahalotoana anefa dia maro be ny hevitra mety mifamahofaho ao an-tsain’ny olona momba izany . Koa tsara hazava fa ny fahalotoana amin’ny lafiny moraly sy /na ara-pivavahana indrindra ,izany hoe : manao ahoana tokoa olona eo anatrehan’Andriamanitra ? Fa tsy fahalotoana amin’ny lafiny hafa izay mety heverin’ny olona akory.Ny tena fototry ny fahalotoan’ny olona eo anatrehan’Andriamanitra , hoy i Jesoa Kristy dia tsy izay zavatra avy any ivelany ka miditra aminy velively fa izay mivoaka ao aminy kosa, ary manamafy izany i Paoly Apostoly hoe : « tsy misy zavatra maloto ho azy akory » (Rom 14.14) . Araka izany, amin’ny maha-olombelona dia tsy maintsy mahakasika zavatra ny tanana na ny vatana ary koa amin’ny maha-olombelona dia tsy maintsy mihinana zavatra ny olona , nefa tsy izany mihitsy akory no mampahaloto ny olona fa izay zavatra vokarin’ny fony indrindra ka mivoaka ety , ivelan’ny vatana toy ny sain-dratsy , ny teny ratsy,ny fakambadin’olona sy ny fijangajangana ,ny fanompoan-tsampy,ny lolompo…

2-Mampiombona ny mino Azy rehetra i Jesoa Kristy

Ninian’i Jesoa Kristy natao ny fanafoanana ny fadifady maro samihafa eo amin’ny sakafo fihinana mba hampiombonany ny kristiana rehetra tsy ankanavaka.Tamin’izany fotoana izany mantsy dia misy ireo kristiana avy amin’nyJiosy sy ny kristiana avy amin’ny Jentilisa. Koa raha mbola fikirin’izy ireo ihany ny tarazo niainany taloha dia tsy misy fiombonana amin’ny maha-kristiana akory .

Fanontanaiana:

Inona no tena mampahaloto ny olona eo anatrehan’Andriamanitra ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM