Ny mpitondra teny soa mahafaly
Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 18 Septambra 2023
JONA 3.1-10
Jona 3,1 - 10
1 [Ny nitorian'i Jona teny tao Ninive] Ary tonga fanindroany tamin'i Jona ny tenin'i Jehovah nanao hoe: 2 Mitsangàna, ka mankanesa any Ninive, ilay tanàna lehibe; ary torio aminy ny teny izay lazaiko aminao. 3 Dia nitsangana Jona ka nankany Ninive araka ny tenin'i Jehovah. Ary Ninive dia tanàna lehibe teo anatrehan'Andriamanitra, dia lalana hateloana. 4 Ary Jona niantomboka nandeha* tao an-tanàna lalana indray andro ka nitory hoe: Rehefa afaka efa-polo andro, dia horavana Ninive.[Heb. niditra] 5 Dia nino an'Andriamanitra ny mponina tao Ninive ka niantso fifadian-kanina sady nitafy lamba fisaonana hatramin'ny lehibe ka hatramin'ny kely. 6 Ary nony efa ren'ny mpanjakan'i Ninive izany, dia nitsangana niala tamin'ny seza fiandrianany izy, ka nanaisotra ny akanjom-boninahiny, dia nisarona lamba fisaonana sady nipetraka tamin'ny lavenona. 7 Ary nasaina nantsoina sy nambara eran'i Ninive araka ny didin'ny mpanjaka sy ny mpanapaka hoe: Aza avela hisy hanendry hanina akory, na olona, na biby fiompy; dia ny ondry aman'osy sy ny omby; eny, aza avela hisy hihinana na hisotro rano akory ireo. 8 Fa aoka samy hisarona lamba fisaonana ny olona sy ny biby fiompy, ary aoka hitaraina mafy amin'Andriamanitra izy, ary aoka samy hahafoy ny lalany ratsy sy ny fandozana eny an-tanany avy izy rehetra. 9 Fa angamba hiverina ihany Andriamanitra ka hanenina ary hiala amin'ny fahatezerany mirehitra, mba tsy ho lany ritra isika? 10 Ary rehefa hitan'Andriamanitra ny nataon'ireo ny amin'ny nialany tamin'ny lalan-dratsiny, dia nanenina Izy ny amin'ny loza izay nolazainy hamelezany azy, ka tsy nataony izany.
Ny mpitondra teny soa mahafaly
1-Manaiky hitondra ny hafatr’Andriamanitra

Nantsoina fanindroany i Jona mba hanambara ny hafatra avy amin’Andriamanitra hoan’ny tananan’i Ninive.Andraikitra nomena azy izany na handray izany na tsia ireo mponina ao Ninive .Antsoina toy izany koa ireo mpitory ny Filazantsara mba hanambara ny hafatr’Andriamanitra (Asa 20.27/ 2Tim 4.2) .Tsy maintsy mitory ny Filazantsara isika na amin’ny fotoana ahoana na ahoana, satria izay no adidin’ny fiangonana. Ry Fiangonana ô! mitsangàna ka mankanesa any amin’ny tany hanirahan’ny Tompo anao, hitory ny teniny.Tsy ao Jodia ihany fahatramin’ny faran’ny tany .Maneke ho mpiara-miasa amin’Andriamanitra .Aza miova , mahareta hatramin’ny farany .
2-Mitory fibebahana
Andraikitra tsy maintsy tanterahina amin’izao fitoriana ny teny izao ny famindrampon’Andriamanitra mba hahatonga ny mponina ao Ninive ho amin’ny fibebahana .Ilay Andriamanitra izay naniraka ny mpanompony dia mahay ny zavatra rehetra sady be famindrampo.Voalaza amin’izao hafatra entin’i Jesoa izao ny fanehoana ny famindrampon’Andriamanitra , na dia eo aza ny loza famaizana mitatao ho an’ny mponin’i Ninive noho ny fahotany .Andriamanitra dia mbola manome efapolo andro hamindrana fo aminy mba hibebahany ihany koa .Koa torio ny teny, maneke ny antso, aza be fangataka andro .Miandry anao ny Tompo .
Fanontaniana :
Efa mba vonona ho amin’ny asa fitoriana ve ianao ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM