Ny fitoriana ny Filazantsara dia :

Mofonaina anio: Alahady, faha 17 Septambra 2023

KOLOSIANA 1.24-29

KOLOSIANA 1.24-29
24 Ankehitriny dia mifaly amin'ny fiaretako ho anareo aho, ary mahatanteraka ao amin'ny nofoko izay tsy vita tamin'ny fahorian'i Kristy ho an'ny tenany, dia ny fiangonana*, [* Gr. eklesia] 25 izay nanaovana ahy ho mpanompo araka ny fitondran'Andriamanitra nomena ahy ho anareo, hahatanteraka ny fitoriana ny tenin'Andriamanitra, 26 dia ny zava-miafina, ilay voàfina hatramin'ny fahagola sy ny taranaka maro, fa voaseho ankehitriny amin'ny olony masina, 27 izay efa tian'Andriamanitra ho nampahafantarina ny haren'ny voninahitr'ity zava-niafina ity any amin'ny jentilisa, dia Kristy ao anatinareo, Izay fanantenana ny voninahitra; 28 Izy no torinay, ka samy anarinay sy ampianarinay amin'ny fahendrena rehetra ny olona rehetra, mba samy hatolotray ho tanteraka ao amin'i Kristy izy rehetra. 29 Ary ny hahatanteraka izany no ikelezako aina koa sy iezahako fatratra araka ny fiàsan'ny herin'ilay miasa mahery ato anatiko.

Ny fitoriana ny Filazantsara dia :

1-Fanekena hijaly mba ho famonjena ny hafa

Raha vakina tsara araka ny fehin-kevitra misy ity ampahan-tsoratra masina ity dia ambaran’i Paoly Apostoly fa ny fahoriana izay nanjo an’i Kristy dia ho fanavotana antsika mba hahazoantsika fampihavanana amin’Andriamanitra . I Paoly Apostoly moa dia niharan’ny fijaliana ihany koa noho ny Filazantsara mba ho famonjena ny hafa fa tsy ho an’ny Kolosiana ihany .Misy mijaly fahadiranovana any ho any noho ny fanenjehana ataon’ny sasany, satria tsy te-hihaino ny Filazantsara izay toriana aminy ireny mpanenjika ireny .Tsarovy fa maniraka antsika fiangonana ny Tompo . Isika no solotenany hitory ny vaovao mahafaly mba hahatonga fanafahana ho an’ireo izay voagejan’i satana. Ho anao izay mitory ny Filazantsara , maneke hijaly ho famonjena ny hafa.

2-Hahalalan’ny olona an’i Kristy

Tsy vitan’ny fitoriana indray mandeha tsy miverina anefa ny fanambarana ny Filazantsaran’ny famonjena , fa misy fampitandremana sy fampianarana ny olon-drehetra ho tonga aminn’y fahalalana an’i Kristy. »mba ho matotra ,ka hitoetra tsara (and28a) ary azo lazaina hoe : tanteraka ao amin’i Kristy » (and28a).Asa miandry ny mpitory vaovao mahafaly ny hitaona ny olona hahalala an’i Kristy , satria izao no voasoratra : « Izy no torianay ary anarinay sy ampianarinay amin’ny fahendrena rehetra ny olona rehetra mba hatolotray ho tanteraka ao amin’i Kristy izy rehetra  » (and28a)

Fanontaniana :

Mba efa nampahafantatra ny momba an’i Kristy tamin’ny olona akaiky anao ve ianao ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM