Ny mpanompo resy lahatry ny Filazantsara

Mofonaina anio: Zoma, faha 15 Septambra 2023

ROMANA 15.14-21

ROMANA 15.14-21
14 Fa izaho koa, ry rahalahiko, dia matoky ny aminareo fa feno fahatsarana ianareo sady mahay mifananatra koa. 15 Kanefa amin'ny fahasahiana no anoratako ny teny sasany aminareo, toy ny mampahatsiaro anareo indray noho ny fahasoavana nomen'Andriamanitra ahy, 16 mba ho mpanompon'i Kristy Jesosy ho an'ny jentilisa aho ka manao fanompoam-pivavahana amin'ny itoriako ny filazantsaran'Andriamanitra, mba horaisina amin'ny fankasitrahana ny fanatitra, dia ny jentilisa, rehefa nohamasinin'ny Fanahy Masina. 17 Ka dia manana izay hataoko rehareha ao amin'i Kristy Jesosy aho noho ny amin'Andriamanitra. 18 Fa tsy sahiko lazaina izay zavatra tsy nampanaovin'i Kristy ahy, na tamin'ny teny, na tamin'ny asa, mba hampanaiky ny jentilisa, 19 dia tamin'ny herin'ny famantarana sy ny fahagagana, ary tamin'ny herin'ny Fanahy Masina*, dia hatrany Jerosalema ka manodidina hatrany Ilyrikiona, no nahatanterahako ny fitoriako ny filazantsaran'i Kristy. [* Na: (Fanahin'Andriamanitra)] 20 Koa dia nataoko ho voninahitro ny hitory ny filazantsara toy izao: tsy eo amin'izay efa niantsoana an'i Kristy anefa, fandrao hanovona eo ambonin'izay efa naorin'ny sasany aho; 21 fa araka ny voasoratra hoe: Izay tsy nilazana Azy no hahita, Ary izay tsy nandre no hahafantatra (Isa. 52. 15).

Ny mpanompo resy lahatry ny Filazantsara

1-Mampahatsiahy ireo izay efa mahalala an’i Kristy (and 14,15)

Fomban’i Paoly Apostoly ny manoratra taratasy ho an’ny Fiangonana .Mamaraparana ny hafatra ho an’ireo kristiana Romana izy eto . Efa nampahafantarina an’i Kristy ka nananany fatokiana izy ireo (and 14a) . Toetry ny kristiana izay efa nandray an’i Kristy no avoitran’i Paoly raha milaza izany aminireo kristiana Romana izy . Tiany hihazona ny fampianarana izay efa natolotra azy ny kristiana .Manana adidy ihany koa isika mpanompon’Andriamanitra hampahatsiaro ireo kristiana ny fampianarana ho fampiorenam-pinoana sy ny fihazonana ny finoana kristiana manoloana ireo zavatra samihafa izay mifamahofaho.

2-Mitory amin’ireo izay mbola tsy mahalala an’i Kristy (and 16-21)

Ampahatsiahivin’i Paoly Apostoly eto ny antso sy ny fifidianan’i Jesoa Kristy azy. Lazainy eo amin’ny and 16 fa natokan’Andriamanitra ho mpanompon’i Kristy Jesoa eo amin’ny Jentilisa sy ny hafa firenena izy Nataony ho zava-dehibe izany fanompoana noraisiny tamin’Andriamanitra izany ,nireharehany mihitsy aza (and17) .Ho antsika mpanompon’Andriamanitra tsy mijanona eo amin’ny kristiana izay efa mahalala an’i Kristy ihany ny Filazantsara fa natao ho an’ireo izay mbola tsy mahalala ( Isaia 52.15).Mahereza amin’ny fanatanterahana ny asa fanompoana niantsoana sy nifidianan’i Jesoa Kristy anao .

Fanontaniana :

Manao ahoana ny fahazotoanao mitory ny Filazantsara ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM