Marina ny Tenin’Andriamanitra

Mofonaina anio: Talata, faha 12 Septambra 2023

NAHOMA 2.1-3

NAHOMA 2.1-3
1 Injany! any an-tendrombohitra ny tongotry ny mitondra teny soa mahafaly Sady mitory fiadanana! Tandremo ny andro firavoravoanao, ry Joda, Efao ny voadinao; Fa tsy handeha hamaky eo aminao intsony ilay tena ratsy fanahy, Indray ripaka izy rehetra. 2 Misy mpanorotoro miakatra hamely anao Ambeno ny manda, Tazano ny lalana, Hatanjaho ny valahanao, Hetseho mafy ny herinao! 3 Fa Jehovah efa mampody ny voninahitr*'i Jakoba, Toy ny ampodiany ny voninahitr*'Isiraely; Fa ny mpandroba efa nandroba azy Ary nanimba ny sampam-boalobony.[*Na: miverina ho amin'ilay reharehany][**Na: toy ny amin'ny reharehany]

Marina ny Tenin’Andriamanitra

1-Milaza fammpanantenana (and1)

Fanafahana no kendren’Andriamanitra hotanterahina eto. Mahavelombolo ny fanantenana ho an’ny Joda . Nasainy hitandrina ny andro firavoravoana sy hanefa ny voadiny izy ireo . Nampanantena an’i Joda Andriamanitra fa tsy hanana anjara eo aminy intsony ilay olom-poana dia ny mpanjakan’ny Asyria fa ho fongotra. Fampanantenana ataon’Andriamanitra amin’ny vahoakany izany. Ny Tenin’Andriamanitra ihany koa dia manome toky sy mamelom-panantenana fa ho afaka amin’izay manandevo antsika isika .

2-Milaza fampiononana

Manoratra teny fampiomanana ihany koa ny mpaminany .Nampiomaniny izy ireo fa hisy mpanorotoro hanafika sy handrava dia tsy iza izany fa i Ninive.Tian’Andriamanitra ny vahoakany ka ampiomaniny mialoha mba tsy ho tampoka amin’ireo ny zavatra hitranga .Ny Tenin’Andriamanitra dia manambara ny zavatra ho avy ka manasa ny tsirairay samy hiomana sy hiambina tsara mba tsy ho ripaky ny fahavalo.

3-Milaza famonjena

Tsy mijanona ho fampanantenana sy fampiomanana ihany ny Tenin’Andriamanitra fa milaza famonjena ihany koa. Jehovah mihitsy no handray an-tànana ny hampodiana ny voninahitr’i Jakoba tahaka ny nampodiany ny voninahitr’Israely.Tahaka izany no hamonjen’i Jehovah an’i Joda .Hanarina ny efa rava indray Izy ,ary handray an-tànana ny zavatra rehetra .

Fanontaniana:

Mitondra inona eo amin’ny fiainanao ny Tenin’Andriamanitra ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM