Ny Filazantsara
Mofonaina anio: Alahady, faha 10 Septambra 2023
MATIO 4.12-17
MATIO 4.12-17
12 Ary nony ren'i Jesosy fa efa voasambotra Jaona, dia lasa nankany Galilia Izy. 13 Ary nony niala tany Nazareta Izy, dia nankany Kapernaomy, izay ao amoron-dranomasina, ao amin'ny zara-tanin'ny Zebolona sy ny Naftaly, ka nonina tao Izy, 14 mba hahatanteraka izay nampilazaina an'Isaia mpaminany hoe: 15 Ny tanin'ny Zebolona sy ny tanin'ny Naftaly, Ao amin'ny tany amoron-dranomasina, any an-dafin'i Jordana, Galilia, tanin'ny jentilisa, 16 Ny olona izay nitoetra tao amin'ny maizina dia nahita mazava lehibe; Ary izay nitoetra tao amin'ny tany aloky ny fahafatesana no niposahan'ny fahazavana (Isa. 8. 23; 9. 1). 17 Ary tamin'izany andro izany dia nanomboka nitori-teny Jesosy ka nanao hoe: Mibebaha ianareo, fa efa akaiky ny fanjakan'ny lanitra.Ny Filazantsara
1-Manala ny olona amin’ny aizina
« ny olona izay mitoetra amin’ny maizina dia mahita mazava lehibe » (and16a) .Tsy mahasakana ny asa fitoriana Filazantsara nataon’i Jesoa ny fisamborana an’i Jaona. Ny fiarahana amin’i Jesoa dia hiaretana fijaliana amin’ny endrika maro .Ny maika amin’i Jesoa dia ny hanalana ny olona amin’ny aizina. Izay rehetra tsy mbola nandray ny Filazantsara araka izany dia azo lazaina fa mbola mandeha amin’ny aizina ihany .
2-Manafaka amin’ny lohasaha aloky ny fahafatesana
Ny fandehanana amin’ny aizina dia efa midika fitoerana amin’ny lohasaha aloky ny fahafatesana .Ny olona afaka amin’ny aizina dia azo lazaina fa afaka amin’ny loza mitatao dia ny lohasaha aloky ny fahafatesana .Isan’ny adidy maika izay miandry ny mpitory ny Filazantsara ny asa fanafahana ny olona amin’ny endri-pahafatesana rehetra, indrindra ny fahafatesana ara-panahy . Ny olona mijanona amin’ny fahotany sy ny fahazaran-dratsiny dia miaina amin’ny fahafatesana hatrany . Mazava ny voasoratra : « ny fahafatesana no tambin’ny ota » (Rom 6.23)
3-Mahatonga fibebahana
« ...nanomboka nitoriteny i Jesoa ka nanao hoe : mibebaha ianareo fa efa akaiky ny fanjakan’ny lanitra » (and17).Isan’ny vontoatin’ny Filazantsara ny fitoriana ny fibebahana.Tsy afaka hiala amin’ny aizina aloky ny fahafatesana mihitsy ny olona iray raha tsy eo ny fiaikena ny fahadisoana ,ka mahatonga azy hibebaka .
Fanontaniana :
Inona avy no mampiavaka ny olona tena nandray marina ny Filazantsara ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM