Ny olona afaka

Mofonaina anio: Alarobia, faha 06 Septambra 2023

MARKA 518-20

Marka 5,18 - 20
18 Ary rehefa hiondrana teo an-tsambokely Jesosy, dia nangataka taminy ilay demoniaka mba hanaraka Azy. 19 Nefa tsy navelan'i Jesosy izy; fa hoy Izy taminy: Modia ihany any an-tranonao ho any amin'ny havanao, ka lazao aminy izay zavatra lehibe nataon'ny Tompo taminao sy ny namindrany fo taminao. 20 Dia nandeha izy ka nitory tany Dekapolisy izay zavatra lehibe efa nataon'i Jesosy taminy; ka dia gaga ny olona rehetra.

Ny olona afaka

1-Maniry fatratra hanara-dia an’i Jesoa

« …dia nangataka taminy ilay demoniaka mba hanaraka Azy » (and18) .Isan’ny olona iray nanehoan’ny Tompo ny voninahiny ity demoniaka ity . Demoniaka mahery vaika izay nitoetra tany amin’ny fasana sy teny an-tendrombohitra ka ninananana sy nikiky tena tamin’ny vato. Olona efa tafasaraka tamin’ny fiaraha-monina,olona iray izay sarobidy amin’i Jesoa mihoatra noho ny kisoa maro dia maro .Rehefa nositranin’i Jesoa ary izy dia naleony nisafidy hanaraka an’i Jesoa toy izay hiverina any amin’ilay fiaraha-monina efa tafasaraka taminy .

2-Manaiky ny baikon’i Jesoa

« Modia ihany any an-tranonao ho any amin’ny havanao ka lazao aminy izay zavatra lehibe nataon’ny Tompo taminao sy namindrany fo taminao » (and19). Mazava tsara ny baikon’i Jesoa eto dia ny fijoroana vavolombelona amin’ny asa lehibe efa nataony. Ny filazana amin’ny hafa an’i Jesoa mpanafaka,mpanasitrana, mpamindra fo, mpamela heloka dia mitondra fanafahana ho an’ny hafa. Mbola maro ireo tsy mahafantatra fa tsara ny Tompontsika .Miantso anao àry ny Tompo mba hijoro ho vavolombelona any amin’ny fiaraha-monina misy anao.

3-Tonga fianarana ho an’ny hafa

« ka dia gaga ny olona rehetra » (and20b).Ilay olona natahorana fahiny no lasa mpitory Filazantsara .Hian’ny Tompo ny manova tanteraka ny tantara.

Fanontaniana :

Inona avy no maha-zava-dehibe ny fijoroana ho vavolombelon’ny Tompo ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM