Mitady ny ondry very

Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 04 Septambra 2023

Lioka 15,1-7

Lioka 15,1-7
1 Ary ny mpamory hetra rehetra sy ny mpanota nanatona hihaino an'i Jesosy. 2 Dia nimonomonona ny Fariseo sy ny mpanora-dalàna ka nanao hoe: Ilehity mandray ny mpanota ka miara-mihinana aminy. 3 Fa Izy nanao izao fanoharana izao taminy hoe: 4 Iza moa no olona aminareo, izay manana ondry zato, ka very ny anankiray, no tsy mandao ny sivy amby sivi-folo any an-efitra ka mandeha hitady ilay very mandra-pahitany azy? 5 ary rehefa hitany iny, dia ataony eo an-tsorony, ka dia faly izy; 6 ary rehefa tonga ao an-trano izy, dia mamory ny sakaizany sy ny namany ka manao aminy hoe: Avia hiara-mifaly amiko; fa efa hitako ilay ondriko very. 7 Lazaiko aminareo fa hisy fifaliana toy izany any an-danitra ny amin'ny mpanota iray izay mibebaka noho ny amin'ny olona marina sivy amby sivi-folo, izay tsy misy tokony hibebahany.

1-Mitady ny ondry very

«Iza moa no olona aminareo, izay manana ondry zato, ka very ny anankiray, no tsy mandao ny sivy amby sivifolo any an-efitra ka mandeha hitady ilay very mandra-pahitany azy?» (and.4). Aleon’i Jesoa mifandray amin’ireo sokajin’olona izay mahatsiaro tena ho mpanota, toy izay ireo olona misora-tena ho manana ny marina, manao azy ho efa tanteraka, ka mihevitra fa tsy misy na inona na inona tokony hibebahana intsony. Hoy ny Tompo : «tsy avy hiantso ny marina Aho, fa ny mpanota mba hibebaka.» (Lio.5,32)

2-Manana faharetana
«…ka mandeha hitady ilay very mandra-pahitany azy?» (and.4). Eto dia tsy nijanona ilay mpitady ny very raha tsy efa nahita vokatra, nahita ilay ondry very. Araka izany dia tsy mionona fotsiny amin’ny asa fikarohana ny mpitory ny Filazantsara. Tsy manao soa tapany ary tsy mijanona raha tsy mahita vokatra. Aoka ary hisy fitohizana hatramin’ny farany ny asa fitoriana ny Filazantsara mba hahitana vokatra

3- Mandray ampifaliana ny ondry very

Rehefa avy nitady ny ondry very ny mpitory, dia nampiasa ny teknikam-pifandraisana izay hetsika hita maso sy azo tsapain-tanana enti-maneho ny fandraisana am-pifalina ny ondry very ka hita indray : nataony teo antsorony, faly izy, namory sakaiza izay ka nanao hoe «Avia hiara-mifaly amiko; fa efa hitako ilay ondriko very». Raiso ampifalina ireo olom-baovao nanolo-tena

Fanontaniana
Ahoana no hatao amin’ireo olom-baovao nanolo-tena?