Aza atao zohy fieren’ny jiolahy ny Fiangonana
Mofonaina anio: Alahady, faha 03 Septambra 2023
Jeremia 7,1-11
Jeremia 7,1-11
1 [Fananarana ny olona izay niankina foana tamin'ny tempoly sy ny fombam-pivavahana] Izao no teny tonga tamin'i Jeremia avy tamin'i Jehovah: 2 Mitsangana eo am-bavahadin'ny tranon'i Jehovah, ary torio eo izao teny izao, ka ataovy hoe: Mihainoa ny tenin'i Jehovah ianareo, ry Joda rehetra, izay miditra amin'ireto vavahady ireto mba hiankohoka eo anatrehan'i Jehovah. 3 Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Ataovy tsara ny lalanareo sy ny ataonareo, dia hamponeniko amin'ity tany ity ianareo. 4 Aza matoky ny teny lainga hoe: Tempolin'i Jehovah, tempolin'i Jehovah, Tempolin'i Jehovah ity. 5 Fa raha ataonareo tsara mihitsy ny lalanareo sy ny ataonareo, ka mitsara marina ny adin'olona amin'ny namany ianareo, 6 Ary tsy mampahory ny vahiny sy ny kamboty sy ny mpitondratena, na mandatsaka rà marina amin'ity tany ity, sady tsy manaraka andriamani-kafa hahatonga loza aminareo, 7 Dia hamponeniko amin'ity tany ity ihany ianareo, dia eto amin'ny tany nomeko ny razanareo, hatramin'ny ela ka ho mandrakizay. 8 He! ianareo matoky ny teny lainga, nefa tsy mahasoa tsinona izany. 9 Hay! hangalatra sy hamono olona sy hijangajanga va ianareo ary hianian-tsy tò sy handoro ditin-kazo manitra ho an'i Bala sady hanaraka andriamani-kafa izay tsy fantatrareo? 10 Nefa mbola avy miseho ao anatrehako amin'ity trano izay efa niantsoana ny anarako ity ihany ianareo ka manao hoe: Efa voavonjy izahay mba hanaovana ireto fahavetavetana rehetra ireto! 11 Moa ataonareo ho zohy fieren'ny jiolahy va ity trano izay efa niantsoana ny anarako ity? Indro, ny tenako aza dia mahita izany, hoy Jehovah.Aza atao zohy fieren’ny jiolahy ny Fiangonana
«Moa ataonareo ho zohy fieren’ny jiolahy va ity trano izay efa niantsoana ny anarako ity?» (and.11)
1- Ataovy tsara ny lalanao sy ny ataonao
«Ataovy tsara ny làlanareo sy ny ataonareo, dia hamponeniko amin’ity tany ity ianareo» (and.3). Miankina amin’ny fandehanan’ny olona araka ny sitrapon’Andriamanitra sy ny fanaovana toetra mendrika ny Filazantsara no mampisy fitahiana eo aminy
2- Mitsarà marina
«ka mitsara marina ny adin’olona amin’ny namany ianareo» (and.5). Mahatezitra ny Tompo ny fitsarana miangatra, izay manamarina ny meloka ary manasazy ny marina. Ilaina ny fitsarana tsy miangatra araka ny tokony ho izy. Aoka ny tompon’andraikitra mba hitsara araka ny rariny sy ny hitsiny fa tsy hijery tavan’olona
3- Atsaharo ny fampahoriana ny madiniky ny Tompo
«Ary tsy mampahory ny vahiny sy ny kamboty sy ny mpitondratena, na mandatsaka rà marina amin’ity tany ity» (and.6). Tsy azo heverina ny fisian’ny olona misora-tena ho mpanompon’Andriamanitranitra kanefa manao tsonotsinona ireo madinika toy ny vahiny, ny kamboty, ny mpitondra tena sy ireo olona mila vonjy (Mat.25,45)
4- Ialao ny fanompoan-tsampy
«sady tsy manaraka andriamani-kafa hahatonga loza aminareo» (and.6). Andriamanitra saro-piaro no ivavahantsika, ka tsy manaiky fampirafesana. Voasoratra any amin’ny didy folo izany (Eks.20,3). Tsy eken’ny Tompo ny fanompoana tompo roa. Andriamanitra irery ihany no iankinanatsika sy ianteherantsika.
Fanontaniana
Inona avy ireo mahatezitra ny Tompo amin’ny olona?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM