Ny herin’ny finoana ao anatin’ny olona

Mofonaina anio: Alarobia, faha 30 Aogositra 2023

Matio 9. 20-22

Matio 9. 20-22
20 Ary, indro, nisy vehivavy anankiray, izay efa narary* roa ambin'ny folo taona, nankeo ivohony ka nanendry ny somotraviavin-dambany. [*Gr. narary nandeha rà] 21 Fa hoy izy anakampony: Na dia ny lambany ihany aza no ho voatendriko, dia ho sitrana* aho.[*Na: voavonjy] 22 Ary Jesosy nihodina ka nahita azy, dia nanao hoe: Matokia, ry zanako-vavy, ny finoanao no efa nahasitrana* anao. Dia sitrana** ilay vehivavy tamin'izay ora izay. *Na: namonjy.[*Na: voavonjy]

Ny herin’ny finoana ao anatin’ny olona

1-Mahatonga azy hahalala ny herin’i Jesoa
Teo an-dàlana hanasitrana ny zanakavavin’i Jairo i Jesoa no nitranga izao tantara 1zao. Vehivavy narary nandritra ny 12 taona, niaritra zavatra be tamin ‘ny mpanao fanafody, nandany ny fananany rehetra, voahilikilika teo amin’ny fiaraha-monina satria nahantra. Tao anatin’ny farmoizam-po tanteraka izy no nanatona an’i Jesoa noho ny finoana izay tao aminy; araka ny tenin’i Jesoa : ny finoảnao » no nahatonga azy hahalala ny herin’i Jesoa mpanasitrana, ary nananany ny fahasahiana hiteny anakampo hoe : « na dia ny lambany ihany aza no voatendriko dia ho sitrana aho’« . Finoana tahaka izany no nananan’ity vehivavy ity ka nahatonga azy tsy nisalasala ny amin’ny herin’i Jesoa. Taomin’ Andriamanitra ihany koa isika hanana finoana mahery mba hahalalantsika ny amin’i Jesoa Zanany.
2-Mahatonga azy ho voavonjy sy ho sitrana
« Matokia ry zanako vavy, ny finoanao no efa nahasitrana anao » (and 22). llay « sitrana » eto dia azo adika ihany koa hoe : « voavonjy« . Miaraka anefa izy roa ireto satria sady sitrana ara-batana ravehivavy no voavonjy ihany koa ka tonga zanak’Andriamanitra noho ny finoana an’i Jesoa. Ny herin’ny finoana izay
miasa tokoa no hahazoana fanasitranana sy famonjena ny fanahy. Jesoa irery ihany no manana fahefana hamela heloka ka hahatonga ny olona ho voavonjy, ary tsy ny ara-panahy ihany no sitraniny, fa ny ara-nofo ihany koa. Angataho mandrakariva ny Fanahy Masina mba hampitombo ny herin’ny finoanao ka hahatonga anao ho sitrana sy voavonjy. Mitondra inona ho anao ny herin ‘ny finoana an’i Jesoa
zanak ‘Andriamanitra?

Fanontaniana :

Mitondra inona ho anao ny herin’ny finoana an’i Jesoa Zanak’Andriamanitra?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM