Ny olon’ny finoana

Mofonaina anio: Alakamisy, faha 03 Aogositra 2023

2 TANTARA 32.1-8

2 TANTARA 32.1-8
1 [Ny nanafihan'ny Asyriana an'i Joda tamin'ny andro nanjakan'i Hezerika sy ny niarovan'Andriamanitra azy] Ary rehefa afaka izany raharaha marina izany, dia avy Sankeriba, mpanjakan'i Asyria, niditra tany Joda ary nanao fahirano ny tanàna mimanda ka nikasa hanafaka azy. 2 Ary nony hitan'i Hezekia fa tonga Sankeriba ka nikasa hamely an'i Jerosalema, 3 dia niara-nihevitra tamin'ny mpanapaka sy ny lehilahy mahery izy mba hanampina ny rano tamin'ny loharano eny ivelan'ny tanàna; ary nanampy azy ireo. 4 Dia nivory ny olona maro ka nanampina ny loharano rehetra sy ilay renirano mamaky eo afovoan'ny tany, fa hoy izy: Nahoana no avela hahita rano be ny mpanjakan'i Asyria, raha avy? 5 Dia nohereziny namboariny avokoa izay rava tamin'ny manda sady nasiany tilikambo teny amboniny sy manda hafa koa teo ivelany, dia namboatra an'i Milo* tao an-tanànan'i Davida sady nanao lefona aman'ampinga betsaka izy.[Heb. fiarovana] 6 Ary nanendry mpifehy miaramila hifehy ny olona izy ka nampiangona azy hankeo aminy teo an-kalalahana akaikin'ny vavahadin'ny tanàna, dia nanao teny famporisihana taminy hoe: 7 Mahereza ka matanjaha; aza matahotra na mivadi-po noho ny mpanjakan'i Asyria sy ny hamaroan'ny olona rehetra izay entiny; fa ny momba antsika dia be noho ny momba azy. 8 Sandry nofo no momba azy, fa Jehovah Andriamanitsika kosa no momba antsika hamonjy antsika ka hiady ny adintsika. Ary dia niankina tamin'ny tenin'i Hezekia, mpanjakan'ny Joda, ny olona.

Ny olon’ny finoana

« Ary nony hitan’i Hezekia fa tonga Sankeriba ka nikasa hamely an’i Jerosalena..  » (and 2): Eto dia fiatrehana ny fahirano sy hikasa haka ny tanàna no loza mitatao atrehan’i Hezekia sy ny Israely, Kanefa dia lavitra azy ireo ny hiraviravy tànana sy ny tahotra aman-tebiteby.
2-Maneho firaisan-kina
« Miara-nihevitra tamin ‘ny mpanapaka sy ny lehilahy nahery izy.ary nanampy azy ireo » (and 3). Tsy miasa irery ny mpino miatrika olana fa mizara andraikitra, miara-mihevitra handresena ny fahavalo iombonana. Jesoa aza tsy nandeha irery ta nisy mpianatra sy mpiara-dia niaraka aminy rehefa miatrika ny fitoriana lzy. (Jereo Lio 8, 1-3)
3-Mifampahery
« Mahereza ka matanjaha, aza matahotra na mivadi-po » (and 7). Ny teny hoe mahereza dia avy amin’ny teny hoe: “hery« . Izany dia azo adika hoe mamaly tsara, hentitra tsara, vonona tsara, miatrika tsara…Ny olona mahery àry dia matanjaka, sahy, tsy mihemotra. Ny Fanahin’ny Tompo no mampahery ka ananantsika fahatokiana mandrakariva.
4-Miankina feno amin’Andriamanitra
« Fa Jehovah Andriamanitsika kosa no momba antsika hamonjy antsika ka hiady ny adintsika » (and 8). Tena fianteherana feno amin’ny herin’Andriamanitra no asehon’i Hezekia eto. Na ny anaran’i Hezekia aza dia midika hoe: “Andriamanitra no mampahery ». Tsy tao amin’i Hezekia ny hiantehitra amin’ny hery hafa na hiankina amin’ny fahaizany sy ny traikefany ary dia tsara fialofana izy ireo.
Fanontaniana
Inona no fanalahidin’ny fahombiazan’i Hezekia ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM