Ny fomba fifidianana irak’Andriamanitra

Mofonaina anio: Alahady, faha 23 Jolay 2023

ASAN'NY APOSTOLY 1.23-26

ASAN'NY APOSTOLY 1.23-26
23 Ary nanokana roa lahy izy, dia Josefa, atao hoe Barsabasy, izay atao hoe koa Josto, ary Matia. 24 Dia nivavaka izy ka nanao hoe: Hianao, Tompo ô, Izay mahalala ny fon'ny olona rehetra, asehoy izay nofidinao amin'izy roa lahy ireto, 25 mba hahazoany anjara amin'izao fanompoana sy ny mah'Apostoly izao, izay nialan'i Jodasy hankanesany any amin'ny fitoerany. 26 Dia nanao filokana ho azy izy, ka latsaka tamin'i Matia ny filokana; ary izy no lany ho isan'ny Apostoly iraika ambin'ny folo lahy.

Ny fomba fifidianana irak’Andriamanitra

1-Mivavaka

« dia nivavaka izy ka nanao hoe: ianao Tompo ô izay mahalala ny fon’ny olona rehetra ,asehoy… » (and 24).Rehefa nivory ny mpianatra hifidy izay ho solon’iJodasy Iskariota dia nivavaka tamin’Andriamanitra . Andriamanitra no mahalala ny fon’ny olona tsirairay ,mahalala bebe kokoa ny antony tokony ifidianany ny olona izay mihoatra lavitra noho ny fitiavan’ny olona manolo-tena hofidiana. Koa mba hahatanteraka ny sitrapon’Andriamndriamanitra amin’ny fifidianana dia mivavaka mialohan’ny hanaovana ny fifidianana . Koa mba hahatanteraka fifidianana eo amin’ny fiangonana : Diakona ,Birao…dia mivavaha aloha .Tsy izay eritreretinao no fidina fa izay araka ny sitrapon’Andriamanitra amin’ny finoana an’i Jesoa Kristy .

2-Manaiky ny sitrapon’Andriamanitra

« dia nanao filokana ho azy izy ,ka latsaka tamin’i Maria ny filokana ,ary izy no lany ho isan’ny Apostoly… » (and26) .Fomba fanao teo amin’ny Jiosy rehefa mitady na te-hamantatra ny sitrapon’Andriamanitra amin’ny alalan’ny fifidianana dia ny « filokana » na ny antsapaka no atao, ka izay lany ao anatin’izany no ekena fa izay no sitrapon’Andriamanitra . Ary teto no nampiasana izany farany teo amin’ny Soratra masina . Noho izany ,tsy antsapaka intsony no atao rehefa hifidy olona ny fiangonana fa fifidianana ,ary izay lany eo amin’ny fifidianana atao dia ekena ho izay no sitrapon’Andriamanitra. Manaiky izany amin’ny finoana ny mpino satria efa nivavaka mialohan’ny fifidianana . Fanehoana ny finoana an’i Jesoa Kristy ihany koa ny fanekena ny valin’ny fifidianana.

Fanontaniana :

Inona avy ireo olana mety mitranga amin’ny fifidianana eo anivon’ny fiangonana? Ahoana no tokony hamaliana izany ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM