Ny olom-boantsoan’Andriamanitra
Mofonaina anio: Talata, faha 18 Jolay 2023
IKorintiana 1. 26 - 31
1 Korintiana 1,26 - 31
26 Fa hevero ny fiantsoana anareo, ry rahalahy, fa tsy firy no olon-kendry araka ny nofo, tsy firy no olona mahery, tsy firy no avo razana; 27 fa ny adala amin'izao tontolo izao no nofidin'Andriamanitra hampahamenatra ny hendry; ary ny malemy amin'izao tontolo izao no nofidin'Andriamanitra hampahamenatra ny mahery; 28 ary ny iva razana amin'izao tontolo izao sy izay fanevateva no nofidin'Andriamanitra, dia ny atao ho tsy misy aza, mba hahafoana ny misy, 29 mba tsy hisy nofo hahazo mirehareha eo anatrehan'Andriamanitra. 30 Fa avy aminy no nanaovana anareo ho ao amin'i Kristy Jesosy, Izay nataon'Andriamanitra fahendrena sy fahamarinana sy fahamasinana ary fanavotana ho antsika, 31 mba ho araka ny voasoratra hoe: Izay mirehareha, aoka Jehovah no ho reharehany (Jery. 9. 23).Ny olom-boantsoan’Andriamanitra
1-Mahatsiaro ho malemy hatrany
« fa ny adala amin’izao tontolo izao no nofidin’Andriamanilra hampahamenatra ny hendry …» (and. 27. 28) Tamin’izany fotoana izany, niely ny fivavahana gnostisima izay nanome lanja ny fahalalana. Ny fahalalana nananan’izy ireo anefa tsy nitarika ho amin’ny fitiavana fa tamin’ny fireharehana. Ary nihevitra ny tenany ho ambony noho ny namany. lzany no nahatonga an’Andriamanitra nampody ny fahalalana ananany ho fahadalana. Mila manaiky ho malemy, tsinotsinona, iva razana, fanevateva manoloana ny fahalehibiazan’Andriamanitra mba hanandratany antsika. Amin’ny fotoana izay iheveran’ny olona ho lehibe ka manadino fahalehibiazan’Andriamanitra dia hietry izy izay. Manetre tena eo anatrehan’i Jesoa Kristy mba hanandratany anao.
2-Vonjena ao amin’i Jesoa Kristy Fanontaniana
«Fa avy aminy no nanaovana anareo ho ao amin’i Kristy Jesosy, Izay nataon’Andriamanitra fahendrena … » (and. 30) . Tamin’ny fomba fisainana Jiosy, ny fahendrena dia naka endrika olona, ny fahamarinana dia naką endrika olona, ny Filazantsara dia naka endrika olona, dia Jesoa Kristy izany. Ny Ray no naniraka, Jesoa no nitondra, ny Fanahy Masina no nanetsika ny Filazantsara. Tsy mahazo mirehareha amin’ny tenany ny olona fa tokony hatoky ny asan’Andriamanitra tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy izay namonjena antsika. Koa aza mirehareha amin’izay mety ho fahalalana anananao eo anatrehan’Andriamanitra fa raiso ny famonjena atolotra anao amin’ny alalan’i Jesoa Kristy. Ary raha te -hirehareha dia aoka ny fanavotana nataon’i Kristy no ireharehan’ny kristiana.
Fanontaniana :
Inona no tena ireharehanao eo amin ‘ny fiainanao? Ahoana ny fiheveranao ny manodidina anao amin’izany?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM