Ahoana ny fahatakaranao ny fomba fiantsoana sy fifidianan’Andriamanitra?
Mofonaina anio: Zoma, faha 14 Jolay 2023
Jeremia 1:4-10
Jeremia 1:4-10
4 Tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe: 5 Hatry ny fony ianao tsy mbola noforoniko tany an-kibo no efa fantatro, ary hatry ny fony ianao tsy mbola teraka no efa nohamasiniko sy notendreko ho mpaminany ho an'ny firenena. 6 Ary hoy kosa aho: Indrisy, Jehovah Tompo ô! indro, tsy mahay mandaha-teny aho, fa mbola zaza. 7 Fa hoy Jehovah tamiko: Aza manao hoe: Mbola zaza aho; fa handeha amin'izay rehetra hanirahako anao ianao, ary izay rehetra handidiako anao no hambaranao. 8 Aza matahotra azy ianao; fa momba anao hamonjy anao Aho, hoy Jehovah. 9 Dia naninjitra ny tànany Jehovah ka nanendry ny vavako, ary hoy Jehovah tamiko: Indro, efa nataoko ao am-bavanao ny teniko, 10 ary indro Aho manendry anao izao andro anio izao hanam-pahefana amin'ny firenena sy ny fanjakana hanongotra sy hanjera sy handrava sy handrodana ary hanorina sy hamboly.Jeremia 1:4-10
Ity tantaran’ny fiantsoana an’i Jeremia mpaminany ity dia mamerina amintsika hahatsiaro indray fa Jehovah dia:
1- Mahalala izay hantsoiny (and 4)
«Hatry ny fony ianao tsy mbola noforoniko tany an-kibo no efa fantatro; ary ny fony ianao tsy mbola teraka no efa nohamasiniko sy notendreko ho mpaminany ho an ‘ny firenena» .Misongadina eto fa ny olona antsoin’ Andriamanitra hiara-hiasa Aminy, dia tsy olona sendra nantsoina na nosamborina tampotampoka fa efa fantany mialoha hatrany am-piandohana .Ary rehefa tonga ny fiantsoany dia tsy azon’ny olona hiodivirana izany !
2- Manampy izay antsoiny (and 9)
«Indro efa nataoko ao am-bavanao ny teniko» .Teo anatrehan’ny fiantsoana azy, dia nitady izay hialana i Jeremia ka nitanisa ny fahalemeny no hevitra hitany ho tsy mahay mandaha-teny, mbola zaza. Tsy zavatra tsy fantatry ny Tompo anefa akory ireny, kanefa koa tsy manakana Azy tsy haniraka izany . Ny mahafinaritra dia izao : rehefa nofidiany sy nantsoiny ary irahiny dia omeny miaraka amin’izany koa izay ilaina hahefana ny iraka .Eto dia Izy Tompo mihitsy no mametraka, ny teny ao an-bavan’i Jeremia. Tsy misy olana tanisaintsika, hialana amin’ny asan’Andriamanitra ka tsy hahitany vahaolana! Maneke rehefa ilainy.
3- Manome fahefana izay antsoiny
«Ary indro Aho manendry anao izao andro anio izao hanam-pahefana amin’ny firenena sy ny fanjakana.». Ny fahefana omen’ ny Tompo dia ny hery ho enti-manatanteraka ilay asa sarotra sy mafy; nefa ihany koa fahefana tsy azon’iza na iza lavina satria ny Tompon’ny fahefana no manome izany!
Fanontaniana :
Ahoana ny fahatakaranao ny fomba fiantsoana sy fifidianan’Andriamanitra?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM