Hafatry ny Mofonaina: Andriamanitra no Tompo, Mpitia, ary Mpamonjy

Mofonaina anio: Talata, faha 11 Jolay 2023

Deoteronomia 7. 6-8

Deoteronomia 7. 6-8
6 Fa firenena masina ho an'i Jehovah Andriamanitrao ianao; fa ianao efa nofidin'i Jehovah Andriamanitrao ho firenena rakitra soa ho Azy mihoatra noho ny firenena rehetra ambonin'ny tany. 7 Tsy ny hamaroanareo noho ny firenena rehetra anefa no niraiketan'ny fitiavan'i Jehovah taminareo sy nifidianany anareo, fa ianareo dia vitsy noho ny firenena rehetra aza; 8 fa ny nitiavan'i Jehovah anareo sy ny nitandremany ny fianianana izay efa nianianany tamin'ny razanareo no nitondran'i Jehovah anareo tamin'ny tanana mahery sy nanavotany anao tamin'ny trano nahandevozana dia tamin'ny tànan'i Farao, mpanjakan'i Egypta.


Deoteronomia 7. 6-8

Avy amin’ny mofonaina anio dia aoka hahatsiaro isika fa:
1- Manan-Tompo (and 6)

«Fa firenena masina ho an’i Jehovah Andriamanitrao ianạo,…Ny hevitry ny teny hoe masina dia hoe natokana na navahana tamin’ny maro, izany hoe ny Zanak’i Isiraely dia natokana ho an’Andriannanitra, ka noho izany Andriananitra no tompony fa tsy
manana tompo hafa izy. Izany no mahatonga ny didy voalohany manitrikitrika hoe: «aza manana andriamani-kafa fa lzaho ihany»
(Deo 5.7). Isika koa toraka izany, Andriamanitra no nifidy antsika,Izy no Tompontsika, aza manompo vola, aza manompo olona, aza manompo harena, aza manompo zava-boahary
2- Misy mpitia (and 7)

«Tsy noho ny hamaroanareo no niraiketan’ny fitiavan’i Jehovah taminareo…». Tsy hoe tia antsika fotsiny ny Tompo fa tena raiki-pitia mihitsy, izany hoe tia tanteraka ary tia loatra antsika Jehovah. Tsy miankina amin’ny maha isika antsika izany fitiavana izany fa nahim-pon’Izy Tompo. Aoka tsy ho kivy na ketraketraka isika manomboka anio fa na toa inona na toa inona isika, na halan’ny olona aza dia tian ‘nyTompo, ary fitiavana mandrakizay izany (Jer 31.3)

3-Manam- 7thpamonjy
«nitondran ‘i Jehovah anareo tamin ny tanana mahery sy nanavotany anao…». Mihasinkasina eto fa Andriamanitra dia
mpamonjy, ary tsy mamela antsika handevozina sy poretina, ahitany sy fantany izay nanjo antsika, ka miditra an-tsehatra amin-kery Izy hanavotra antsika. Porofon’izany nomena antsika koa i
Jesoa «hanafaka ny olony amin ‘ny fahotany» (Mat I. 21). Aza mihazakazaka mitady mpamonjy hafa intsony fa minoa an’i Jesoa,Fa ny anarany rahateo dia midika hoe : Jehovah no mpamonjy
Fanontaniana:

Mitondra inona ho anao ny hafatry ny mofonaina anio?
Sampana Sekoly Alahady Foibe FJKM