Raha tena manaraka marina an’i Jesoa isika dia mankato ny didiny ka:1- Mifankatia

Mofonaina anio: Talata, faha 11 Jolay 2023

Jaona 15. 11 - 16

Jaona 15. 11 - 16
11 Izany zavatra izany dia efa nolazaiko taminareo, mba ho ao aminareo ny fifaliako, ka ho tanteraka ny fifalianareo.

Raha tena manaraka marina an’i Jesoa isika dia mankato ny didiny ka:
1- Mifankatia (and 12)

« lzao no didiko, dia ny mba hịfankatiavanareo tahaka ny nitiavako anareo« . Tsy fiangaviana no ataon’i Jesoa fa baiko, tsy natao iadian-kevitra na mbola hametrahana fanontaniana indray fa tanterahina avy hatrany, ary tovina tsy misy fepetra. Noho izany, raha tsy sandoka ny maha-Kristiana antsika dia tsy tokony hankahala na hanam-pahavalo isika. Tsy mpitari-bato vilam-bava i Jesoa raha mitaky izany fa Izy tenany dia nahatanteraka izany ka mbola nivavaka na dia ho an’ny mpamono Azy aza lzy (Lio 23. 24).

2- Manaiky tendrena (and 16a)
«Tsy ianareo no nifidy Ahy, fa Izaho no nifidy anareo ka nanendry anareo
» hoy i Jesoa,. Ny hevitr’izany dia izao : tsy manan-tsafidy isika fa izay asain’i Jesoa ataontsika ihany no atao sy tanterahina,tsy miankina amintsika rahateo izany fa Izy ihany no manendry. Tsy anjarantsika araka izany ny hibaiko ny Tompo hoe : izao ampanaovina ahy na izao no mba mahafinaritra ny saiko, fa ny manaiky am-panetren-tena izay iraka ametrahany fitokisana amintsika .

3- Mandeha sy mamoa (and 16b)
«..ka nanendry anareo nnba handeha sy hamoa… » hoy ny Tompo. Ireo mątoanteny roa ireo « mandeha sy mamoa » dia samy milaza asa avokoa, izany hoe : tsy notendrena hipetrapetraka na hitady tany malemy
hanorenam-pangady akory isika ka hoe hialangalana fotsiny fa tena mpanao, ary mavitrika amin’ny anjara fanompoana nanendrena antsika, mba ho afaka miteny tahaka an’i Jesoa amin’ny fotoana ilàna izany hoe:
« Vitako ny asa izay nomenao hataoko » (Jao 17. 4), ka tsy zara fa natao fa tena «vita» (Jao l9. 30).

Fanontaniana:
Ahoana no ahazoanao milaza fa tena Kristiana ianao?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM