Inona no tombontsoan ‘ny mino an Andriamanitra?
Mofonaina anio: Alakamisy, faha 06 Jolay 2023
GENESISY 18.16-33
GENESISY 18.16-33
16 [Ny nifonan'i Abrahama ho an'i Sodoma] Dia nitsangana ireny lehilahy ireny ka niala teo, dia nitsinjo an'i Sodoma; ary Abrahama niaraka taminy hanatitra azy. 17 Ary Jehovah nanao hoe: Hafeniko amin'i Abrahama va izay hataoko? 18 Fa Abrahama ho tonga firenena lehibe sy mahery tokoa, ary aminy no hitahiana ny firenena rehetra ambonin'ny tany. 19 Fa efa nifidy azy Aho mba handidy ny zanany sy ny taranany mandimby azy hitandreman'ireo ny lalàn'i Jehovah hanao izay marina sy mahitsy, mba hitondran'i Jehovah amin'i Abrahama izay efa nolazainy taminy. 20 Ary hoy Jehovah: Ny fitarainan'i Sodoma sy Gomora dia lehibe tokoa, ary ny fahotany dia mavesatra indrindra; 21 hidina Aho ka hizaha na efa nahatanteraka izany tokoa izy araka ny fitarainan'ny tany, izay efa tonga at? amiko, na tsia; ary raha tsy izany, dia ho fantatro. 22 Dia nihodina niala teo ireo lehilahy ireo ka nandroso ho any Sodoma; fa Abrahama kosa mbola nijanona teo anatrehan'i Jehovah. 23 Dia nanatona Abrahama ka nanao hoe: Haringanao miaraka amin'ny meloka va ny marina? 24 Angamba misy olo-marina dimam-polo ao an-tanàna; haringanao koa va, ka tsy hamindranao fo ny tanàna noho ny dimam-polo marina izay ao? 25 Sanatria Anao raha hanao toy izany ka hamono ny marina miaraka amin'ny meloka, ka ny marina hatao tahaka ny meloka; sanatria Anao izany! tsy hitsara marina va ny Mpitsara ny tany rehetra? 26 Ary hoy Jehovah: Raha mahita dimam-polo marina ao an-tanàna Sodoma Aho, dia hamindrako fo ny tanàna rehetra noho ireny. 27 Dia namaly Abrahama ka nanao hoe: Indro, fa efa sahy niteny tamin'ny Tompo aho nefa vovoka sy lavenona: 28 Angamba ho latsaka dimy ny dimam-polo marina; moa haringanao va ny tanàna rehetra noho ny dimy? Ary hoy Izy: Tsy handringana Aho, raha mahita dimy amby efa-polo ao. 29 Dia, mbola niteny taminy indray izy ka nanao hoe: Angamba efa-polo no ho hita ao. Ary hoy Izy: Tsy mba hanao izany Aho noho ny efa-polo. 30 Ary hoy izy: Aoka anie mba tsy ho tezitra ny Tompo, fa mbola hiteny aho: Angamba telo-polo no ho hita ao. Ary hoy Izy: Tsy mba hanao izany Aho, raha mahita telo-polo ao. 31 ArY hoy izy: Indro, fa efa sahy niteny tamin'ny Tompo aho: Angamba roa-polo no ho hita ao. Ary hoy Izy: Tsy mba handringana azy Aho noho ny roa-polo. 32 Ary hoy izy: Aoka anie mba tsy ho tezitra Hianao, Tompo, fa hiteny izao indray mandeha izao ihany aho: Angamba folo no ho hita ao. Ary hoy Izy: Tsy mba handringana Aho noho ny folo. 33 Dia lasa nandeha Jehovah, rehefa vita ny teny nataony tamin'i Abrahama; ary Abrahama niverina ho any amin'ny fonenany.Abrahama vao avy nampanantenain’ Andriamanitra taranaka, na dịa efa zato taona aza no asehon’ny tantara amintsika eto. Abrahama izay mino sy matoky ny teny fikasana, ary nofidian’Andriamanitra koa ho fitahiana ny firenena rehetra. Faka tahaka ny finoan’i Abrahama ary ampianarana antsika koa hoe : Minoa dia
1- Ho akaiky an’Andriamanitra (and 17)
«Ary hoy Jehovah nanao hoe : hafeniko an’i Abrahama va izay hataoko?», io fomba hanehoan’ny mpitantara ny anjara toerana na fomba fijerin’ Andriamanitra an’i Abrahama io no hahatakarantsika fa rehefa mino marina sy mitoetra ho mahatoky ny olona dia tonga akaiky an’Andriamanitra izy, tsy hanafenany sy asany sy ny sitrapony. Ilay teny hoe «nifidy» (and 19) rahateo dia midika hoe: efa nanjary niombona sy mifamatom-piainana, izany hoe : fifandraisana tena akaiky dia akaiky no misy amin’Andrianıanitra sy i Abrahama nofidiany. Ary tsy izany koa ve no nambaran’i Jesoa : « fa efa nataoko hoe sakaiza ianareo » (Jao 15.15). Raha mitaha amin’i Abrahama, manao ahoana ny endriky ny fifandraisanao amin’ Andriamanitra?
2- Henoin’Andriamanitra
Rehefa nahalala ny drafitr’ Andriamantira i Abrahama dia niroso niady varotra ho an’ny tanànan’i Sodoma sy Gomora izy, ary mahavariana fa tsy am-pihambahambana no mifampiresahany tamin’Andriamanitra mba tsy handravana ny tanàna, nanomboka tany amin’ny dimampolo ka hatrany amin’ny folo ny ady varotra fa nihaino an’i Abrahama hatrany ny Tompo. Noho ny fangatahan’i Abrahama dia voatsimbina ny havany (Lota), na dia noravana ihany aza ny tanàna. lanaro ny finoan’i Abrahama, sahia mangataka hamonjena ny hafa, hahavonjy ny hafa azy ireny (Mar 2. 4)
Fanontaniana:
Inona no tombontsoan ‘ny mino an Andriamanitra?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM