Tsarovy fa manan-danja manokana ianao

Mofonaina anio: Alarobia, faha 05 Jolay 2023

1 Petera 2. I- 10

1 Petera 2,1 - 10
1 Koa esory ny lolompo rehetra sy ny ny fihatsaram-belatsihy sy ny fialonana ary ny fanaratsiana rehetra, 2 fa tahaka ny zaza vao teraka dia maniria ny rononom-panahy tsy misy fitaka, mba hitomboanareo amin'izany ho amin'ny famonjena, 3 raha tàhiny "nanandrana ianareo fa tsara ny Tompo;" 4 Izay hatoninareo toy ny vato velona, "nolavin'ny olona, fa voafidin'Andriamanitra sady soa," 5 ka dia atsangana koa ianareo tahaka ny vato velona ho trano fanahy, ho fisoronana masina, hanatitra fanati-panahy sitrak'Andriamanitra amin'ny alalan'i Jesosy Kristy. 6 Fa misy teny ao amin'ny Soratra Masina manao hoe: "Indro, mametraka fehizoro ao Ziona Aho, dia vato voafidy sady tsara; Ary izay mino Azy tsy ho menatra" (Isa. 28.16). 7 Koa ny fahatsarana dia ho anareo izay mino; fa amin'izay tsy mino kosa "Ny vato izay nolavin'ny mpanao trano No efa tonga fehizoro" (Sal. 118.22), 8 "Ary vato mahatafintohina sy vatolampy mahasolafaka" (Isa 8.14); ary satria tsy nanaiky ireo, dia tafintohina tamin'ny teny izy, sady izany koa no nanendrena azy. 9 Fa ianareo kosa dia taranaka voafidy, "fanjaka-mpisorona, firenena masina" (Eks. 19.6), olona nalain'Andriamanitra ho an'ny tenany mba hilazanareo ny hatsaran'ilay niantso anareo hiala tamin'ny maizina ho amin'ny fahazavany mahagaga; 10 dia ianareo izay tsy firenena akory fahiny, fa ankehitriny efa olon'Andriamanitra; izay tsy namindrana fo, fa ankehitriny efa namindrana fo (Hos. 2.25).

2-Tsarovy fa manan-danja manokana ianao

« Fa ianareo kosa dia taranaka voafidy… firenena masina, olona nalain’Andriananitra ho an ‘ny tenany » hoy i Petera .Maneho izany fa voafidin Andriamanitra tao anatin’ny maro ianao , ary ilainy ianao amin’izany hanitatra ny ambaindain’ ny fanjakany «hilaza ny fahatsarany» ,izany hoe : anjaranao ny mitory sy mampahalala ny famonjena hahatonga ny hafa handray izany koa. Torio Kristy, fa ianao no efa mahalala ny hatsarany , zarao soa izany .Aza mandraraka ilom-by an-doha !
Fanontaniana :
Manao ahoana ny fiainanao ny naha- Kristiana anao?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM