Mahatsiaro fa olom-boafidin ‘Andriamanitra ve ianao? Ahoana ary no iainanao izany?
Mofonaina anio: Alahady, faha 02 Jolay 2023
Matio l2. 14- 21
Matio 12,14 - 21
14 Ary ny Fariseo dia lasa nivoaka ka niara-nisaina mba hahafaty Azy. 15 Fa Jesosy nahalala izany, ka dia niala teo. Ary nisy olona betsaka nanaraka Azy, ka dia nositraniny avokoa izy rehetra; 16 ary nandrara azy Izy tsy hanao izay hahafantarana Azy, 17 mba hahatanteraka izay nampilazaina an'Isaia mpaminany hoe: 18 Indro ny Mpanompoko, Izay nofidiko, Ny Malalako, Izay sitraky ny foko indrindra; Hapetrako ao aminy ny Fanahiko, Ary hitory ny rariny amin'ny jentilisa Izy; 19 Tsy hifanditra, na hiantso mafy Izy; Ary tsy hisy handre ny feony any an-dalana; 20 Tsy hotapahiny ny volotara torotoro, Ary tsy hovonoiny ny lahin-jiro manetona, Ambara-pamoakany ny rariny ho mpandresy; 21 Ary ny anarany no hitokian'ny jentilisa (Isa. 42:1-4).1-Ny manao soa (and 9- 13)
Fanontaniana mifono fandrika no napetraky ny fahavalon’i Jesoa hoe: «Mety ve ny manasitrana amin ‘ny sabata? » (and l1),nikendrena hiamparngana Azy satria nahasitrana ilay lehilahy maty tànana Izy. Valin-teny maranitra sady feno fahendrena kosa no nomen’i Jesoa ka nahatankina ireo nikasa hamely Azy. Navoitran’iJesoa mazava tsara, fa ny famonjena sy ny fanaovan-tsoa no laharam-pahamehana fa tsy ny fombafomba ivelany.
2- Ny mahatontosa ny fanompoany (and 14, 15)
Manoloana ny fihendrena hamono Azy, izay voambara eto fa fantatr’i Jesoa, dia niala Izy. Tsy hoe tsy sahy niatrika na natahotra akory i Jesoa, fa fantany kosa fa mbola misy anjara fanompoana hafa tsy mbola tanterany, ary tsy mbola eto ny «fotoany» ka niroso ho amin’izany Izy, porofon ‘izany dia voatantara eto fa nositranin’i Jesoa avokoa ny olona betsaka nanaraka Azy (and 15). Isika koa. katsaho mialohan’ ny zavatra rehetra ny hahavita ny iraka.
3- Tsy ny hisehoseho (and 16 -21)
« Ary nandrara azy Izy tsy hanao izay hahafantarana Azy » hoy ny fitantarana. Aseho miharihary amin’izany fa tsy mitady laza amam-boninahitra akory ny olom-boafidin’ Andriamanitra fa ny mifanohitra amin’izany aza, ny hanao izay hampihasinkasina ny voninahitr’ Andriamanitra ka manaporofo fa tanteraky ny Tompo
hatrany ny Teniny. Fanetren-tena feno izany. lanao koa milaza hoe: «lzy tsy maintsy mitombo fa izaho kosa tsy maintsy mihena» (Jao 3.30).fahavalon’i Jesoa
Fanontaniana:
Mahatsiaro fa olom-boafidin ‘Andriamanitra ve ianao? Ahoana ary no iainanao izany?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM