« Fa ny fanjakan Andriananitra dia tsy amin’ny fihinanana sy nyfisotroana, fa fahamarinana sy fiadanana ary fifaliana ao amin’nyFanalıy Masina » (Rom 14.17),

Mofonaina anio: Alakamisy, faha 29 Jona 2023

Romana 14. 13 - 23

Romana 14. 13 - 23
13 Koa aza mifampitsara intsony isika; fa aleo mihevitra* izao, dia ny tsy hanisy fandavoana na fanafintohinana eo anoloan'ny rahalahy. [* Gr. mitsara]

« Fa ny fanjakan Andriananitra dia tsy amin’ny fihinanana sy ny
fisotroana, fa fahamarinana sy fiadanana ary fifaliana ao amin’ny
Fanalıy Masina » (Rom
14.17),

Ny fanjakan’Andriamanitra :

1-Tsy fihinanana sy fisotroana
Ady hevitra ny amin’ny fihinanana na tsia ireo zavatra maro samihafa no hitantsika manomboka any amin’ny andininy voalohany amin’ity toko faha-14 ity. Mahaloto ve sa tsia ny fihinanana ireny ? Ny amin’ireo heverin’ny olona ho zava-pady amin’ny finoana no fihinana sy fisotro ambara eto fa tsy resaka
zava-maha-domelina samihafa akory. Ireny dia efa zavatra tsy araka ny sitrapon’Andriamanitra ka tsy tokony hiditra akory ny vavantsika. Fa ny fanjakan’Andriamanitra dia tsy faritana araka izay miditra ao am-bava. «Fa tsy ny zavatra avy eo ivelany izay miditra ao anatin ‘ny olona no mahaloto azy , fa izay mivoaka avy ao anatin’ny olona no mahaloto azy» (Mar 7.15)
2- Fa fahamarinana sy fiadanana ary fifaliana ao amin’ny Fanahy Masina
Misy toetra takian’Andriamanitra aminao izay te-hiditra ao amin’ny Fanjakany, dia ny fampanjakàna ny toe-panahy araka an ‘Andriamanitra. Ny Fanjakan’Andiamanitra dia voarafitr’ireo zavatra telo loha ireo. Koa raha tiantsika hanjaka amintsika Andriamanitra dia iainantsika ireo zavatra ambarany ireo. Amin’ny fomba ahoana anefa ? Amin’ny handraisantsika ny Fanahy Masina : « fa ny vokatry ny Fanahy kosa dia fitiavana, fifaliana, fiadanana,fahari-po,fahamoram-panahy, fahamarinana, fahalemem-panahy. fahononam-po» (Gal 5.23) fanaovan-tsoa ».
Fanontaniana :
Inona avy no efa anananao amin ‘ireo vokatry ny Fanahy ireo ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM