Finoana manafaka

Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 26 Jona 2023

Marka 9. 14- 29

Marka 9. 14- 29
14 Ary nony tonga teo amin'ny mpianatra izy, dia nahita vahoaka betsaka manodidina azy sy mpanora-dalàna niady hevitra taminy.

Finoana manafaka


1- Manatòna an’i Jesoa amin’ny finoana

Lehilahy iray no nanatona an’i Jesoa ary nitondra ny zanany voagejan ‘ny fanahy ratsy. Nilaza izy fa efa nentiny tamin’ny
mpianatr’i Jesoa izany fa tsy hain’izy ireo ny nanafaka ny Zaza. Manaitra ny valin-teny nambaran’i Jesoa eto : «ry taranaka tsy mino !.. Ento ety Amiko izy». Finoana no hanatonantsika an’i Jesoa. Fahasitranana roa sosona no nitranga rehefa nanatona an’i Jesoa izy ireo. Ny tsy finoana sy ny aretina no indro sitrana. Hoy ny voasoratra hoe :«Fa raha tsy amin’ny finoana, dia tsy misy azo atao hahazoana sitraka Aminy, fa izay manantona an’Andriamanitra dia tsy maintsy mino fa misy lzy sady Mpamaly soa izay mazoto nitady Azy» (Heb 11.6)


2- Manàna finoana tsy mihemotra.

Na dia nataon’i Jesoa hoe: «taranaka tsy nino» aza ireto olona ireto dia tsy nihemotra fa niroso hatrany satria te- ho voavonjy. Fa misy ny olona ao am-piangonana dia mora tohina rehefa ambara aminy ny fahalemeny. Hitantsika eto ary fa nahiliny tamin’ny mpianatry ny Tompo ny tsy fahombiazana. Kanefa ny Tompo dia nahita fa izy ireo no tena tsy nino. Na izany aza dia niroso hatrany tsy nihemotra izy ireo fa nisisika mba hahazo famonjena. Isika ihany koa dia tian’ny Tompo hanam-pinoana tahaka izany. Fa hoy voasoratra hoe: «Fa isika tsy mba naman’izay mihemotra ho amin’ny fahaverezana, fa naman’izay mino ho amin’ny famonjena ny Fanahy» (Heb 10.39). Hoy koa Jesoa : «… ny fanjakan’ny lanitra dia rombahina…» (Mat 11.12)

Fanontaniana :
Inona avy no mety nampihemotra anao amin ‘ny finoana an ‘I Jesoa?

Sampana Sekoly Alahady Foibe FJKM