Fanafahana mitondra fiadanana

Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 26 Jona 2023

Salamo 33. 12 - 22

Salamo 33. 12 - 22
12 Sambatra ny firenena izay manana an'i Jehovah ho Andriamaniny, dia ny olona nofidiny ho lovany.


Fanafahana mitondra fiadanana

«Sambatra ny firenena izay manana an’i Jehovah ho Andriamaniny, dia ny olona nofidiny ho lovany»
Mampalahelo fa rehefa fetim-pirenana tahaka izao dia arangaranga sy hindrahindraina izao karazan-tsaipy sy izay lazaina ho fivavahan-drazana rehctra izao. Ary alenina ao anatin’ny filazana hoe firaisan-kina na fiombonana. Ambara aza indraindray fa tsy mitondra fitahiana ho an’ny Malagasy ny fanariana sy
fanadinoana ireny zavatra nivavahan’ny Ntaolo teo aloha ireny. Anio kosa na inona na inona zava-misy dia tena azo ambara fa « fanambarana lehibe » mihoatra ny fanambarana samihafa nifanesy ny hoe : « Sambatra ny firenena izay manana an’i Jehovah ho Andriamaniny». Ny Andriamanitra Rain’i Jesoa Kristy izay ivavahantsika dia Andriamanitra miahy ny olona izay miankina Aminy. Tonga zanany isika rehefa misafidy Azy ka ilazany hoe: «Ny amin’ny zavatra ho avy no anontanio Ah y, ary ny zanako sy ny
asan’ny tànako dia aoka ho adidiko ihany
» (Isa 45.11). Ny fahafahana ara-politika no ambara rehefa fetim- pirenena tahaka izao fa ny fahafahana omen’ny Tompo kosa dia fanafahana amin’ny gejan’i satana. «Koa raha ny Zanaka no hahafaka anareo, dia ho afaka tokoa ianareo» (Jao 8.36). Mila mitandrina isika fa ny
fiverenantsika amin’izay heverin’ ny sasany amin’ny maha-Malagasy antsika matetika no ahatsapana fa mitady hiverina amin’ny famatoran’ilay ratsy isika.

Fanontaniana :
Ahoana no atao hahatanteraka ilay tononkira hoe : »He sambatra tokoa izahay » ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM