lorenan’ny fahafahana ny Tompo
Mofonaina anio: Zoma, faha 23 Jona 2023
Lioka 7. l - 10
Lioka 7. l - 10
lorenan’ny fahafahana ny Tompo
Rehefa mamaky ity tantara ity isika dia misy zavatra toa mifanohitra amin’ny zava-nisy iainantsika ankehitriny. Kapiteny maniraka loholona, loholona nandresy lahatra an’i Jesoa satria olona nahavita be tanin’ny Jiosy ity kapiteny ity. Rehefa tonga teo amin’ ilay Kapiteny anefa dia tsy navelany hiditra
i Jesoa fa nolazainy fa tsy mendrika hidirany ao ambany tafotranony. Ny tapany voalohany dia efa mahazalra ny fahenoana azy. Olona nahavita be dia tokony hankasitrahana. Fa saingy ireo loholon’ny
Jiosy no nanana izany hevitra izany fa ilay Kapiteny dia tsy izay no tao am-pony. Tsy nataony ho antony tsy maintsy hanasitranana ny mpanompony ny fananganany synagoga. Na nahavita izany aza izy dia mbola nilaza fa olo-tsy mendrika hidiran’i Jesoa ao antranony. Tsy noho ny asa vitany no nahasitrana ny mpanompony fa noho ny finoany sy ny fanetren-tenany.
Tandremo fa maro anintsika no mihevitra fa ny fanaovantsika asa ao amin ‘ny Fiangonana no ahazoantsika famonjena. Tsia ! Isika dia tokony hiasa ho an’ny Tompo satria efa novonjeny maimaim-
poana. Mitondra antsika ho amin’ny fahasoavan’Andriamanitra ny fananantsika fanetren-tena. «Dia tahaka izany koa ianareo, rehefa vitanareo izay rehetra nandidiana anareo, dia ataovy hoe:
« Mpanompo ny mahasoa izahay, ny tokony ho nataonay ihany no efa nataonay » (Lio 17. 10)
Fanontaniana
Inona ay ireo asa nataonao ho an ‘ny Tompo rehefa nahatsiaro ho novonjeny ianao?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM