Iorenan’ny fanafahana ny Tompo
Mofonaina anio: Asabotsy, faha 24 Jona 2023
SALAMO 31.1-8
SALAMO 31.1-8
1 [Fitarainana nataon'izay tra-panenjehana mafy] Ho an'ny mpiventy hira. Salamo nataon'i Davida. Jehovah ô, Hianao no ialofako; aoka tsy ho menatra akory mandrakizay aho; vonjeo amin'ny fahamarinanao aho. 2 Atongilano amiko ny sofinao, faingàna hamonjy ahy; aoka ho vatolampiko fiarovana mafy Hianao sy batery fiarovana hamonjena ahy. 3 Fa harambatoko sy batery fiarovana ho ahy Hianao; ary noho ny anaranao no hitondrànao sy hitarihanao ahy. 4 Hanafaka ahy amin'ny fandrika harato izay nafeniny hamandrihany ahy Hianao; fa Hianao no fiarovana mafy ho ahy. 5 Eo an-tananao no atolotro ny fanahiko; fa efa nanavotra ahy Hianao, Jehovah ô, Andriamanitry ny fahamarinana. 6 Halako izay mivavaka amin'ny sampy*; fa Jehovah kosa no itokiako.[Heb: zava-poana mandainga] 7 Hifaly sy ho ravoravo amin'ny famindram-ponao aho; fa nahita ny fahantrako Hianao, ka nahafantatra ny fahorian'ny fanahiko, 8 ary tsy mba nangeja ahy teo an-tànan'ny fahavalo; fa efa nampitoetra ny tongotro eo amin'ny malalaka Hianao.Iorenan’ny fanafahana ny Tompo
Ity Salamo ity dia maneho ny fatokian’i Davida an’Andriamanitra eto fa:
1-Misahirana ny amintsika Andriamanitra
Ireo asa fikarakarana ambaran’i Davida dia notononiny amim-patokiana an’Andriamanitra , satria fantany fa afaka manantanteraka izany Andriamanitra . Fialofana,fitarainana,fiarovana mafy ,manafaka Andriamanitra aminy ka nahasahiany niteny fa eo amin’Andriamanitra no hanolorany ny fanahiny .Afaka andro vitsy dia hankalaza ny vanim-potoana niverenan’ny fahaleovan-tena isika Malagasy .Tena fialofantsika ,fitarainantsika ,fiarovana mafy ho antsika ary tena mpanafaka antsika malagasy ve Andriamanitra Rain’i Jesoa Kristy Tompo? Eo amin’ny and 6 Davida dia milaza hoe : halany ary tsy ankasitrahany ny hanompo sampy. Ary isika ve afa-nanary ny sampintsika ? Hoy i Jesoa : « Koa raha ny zanaka no hahafaka anareo dia ho afaka tokoa ianareo « (Jao 8.36)
2-Mampitoetra antsika amin’ny fiadanany
Ahariharin’ity and roa ity fa tsy ataon’Andriamanitra ho zava-maivana ny fiankinana Aminy fa mody fifaliana sy firavoravoana ny fahoriana ary omeny fahafahana izany manoloana ny gejan’ny fahavalo .Isika ihany koa no anambarany izany anao.Miandry antsika hiverina Aminy Andriamanitra hamerenana antsika amin’ny fiadanany .Hoy i Jesoa : »Fiadanana no avelako ho anareo ,ny fiadanako no omeko anareo ,tsy tahaka ny fanomen’izao tontolo izao no fanomeko anareo. Aza malahelo na matahotra ny fonareo » (Jao 14.27)
Fanontaniana:
Inona avy ny sampy efa narianao?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM