Andriamanitra mpanafaka
Mofonaina anio: Alarobia, faha 21 Jona 2023
Asan 'ny Apostoly 28. 1 - 10
Asan'ny Apostoly 28,1 - 10
1 Ary rehefa voavonjy izahay, vao fantatray fa Melita no anaran'ilay nosy. 2 Ary tsy kely ny soa nasehon'ny tompon-tany taminay; fa namelona afo izy ka nandray tsara anay rehetra, satria nilatsaka tamin'izay ny ranonorana, sady nangatsiaka ny andro. 3 Dia namory kitay hazo iray trotroana Paoly ka nanohoka izany teo amin'ny afo; ary nisy menarana nivoaka avy tamin'ny afo ka niraikitra tamin'ny tànany. 4 Ary raha hitan'ny tompon-tany ny biby niraikitra tamin'ny tànany, dia niresaka hoe izy: Mpamono olona tokoa io lehilahy io, ka na dia voavonjy tamin'ny ranomasina aza izy, tsy avelan'ny todin'aina ho velona. 5 Fa nakifiny ho eo amin'ny afo ilay biby, ka tsy nisy naninona izy na dia kely akory aza. 6 Ary ny olona kosa nanampo azy hivonto, na hikarapoka ho faty tampoka; fa rehefa niandry ela izy ka nahita fa tsy nisy na inona na inona nanjo an'i Paoly, dia niova saina izy ka nanao hoe: andriamanitra io. 7 Ary teo akaikin'io dia nisy sahan'i Popilo, mpanapaka ny nosy, izay nandray anay ka nampiantrano anay tsara hateloana. 8 Ary nararin'ny tazo sady nivalan-drà ny rain'i Popilo; ary Paoly niditra teo aminy ka nivavaka sady nametra-tanana taminy, dia nahasitrana azy. 9 Ary rehefa vita izany, dia tonga koa ny sasany izay narary teo amin'ny nosy, ka dia sitrana. 10 Ary voninahitra be no nomen'ny olona anay; ary rehefa handeha izahay, dia novatsiany tsara.Asan ‘ny Apostoly 28. 1 – 10
Andriamanitra mpanafaka
1- Momba ny mpanompony
Paoly avy navezivezin’ny rivotra teny ambony sambo nandritra ny fotoana ela. Tonga teto amin’ity nosy kely atao hoe Melita ity. Tany aminy avokoa ny mason’ny olona satria mbola nokakerin’ny menarana ihany koa izy. Noheverin’ireo ho olon-dratsy moa izy manoloana izao zava-mitranga izao. Toy izany mandrakariva no manjo antsika. Rehefa tojo zava-tsarotra isika dia heverin’ny olona fa niala tamintsika ny Tànan’Andriamanitra. Ny Tompo efa niteny hoe: «Fa Izaho mahalala ny hevitra iheverako anareo, hoy Jehovah, dia hevitra hahatonga fiadanana, fa tsy loza, mba hanome anareo fanantenana ny amin’ny farany» (Jer 29,11)
2- Mamaly fitia izay mandray ny mpanompony
Marary maro no nentina teo anatrehan’i Paoly tamiın’izany nosy izany rehefa nanasitrana ny rain’i Poplio izy. Raha ny marina dřa tsy tokony handalo eo amin’izany nosy izany i Paoly fa noho ný fahavakisan’ny’ sarnbo nandehanany no nijanonany teo. Izay toerana andehanan’ ny dia mpanompon’ Andriamanitra itondran’ Andriarnanitra famonjena raha raisin’ny olona tsara ny mpanompony. Hoy i Paoly: «Miantrà ny olona masina araka izay ilainy , mazotoa mampiantrano vahiny» (Rom 12. 13). Jesoa no efa nanambara tamin’ireny irany ireny hoe: «lzay mandray anareo dia mandray Ahy, ary izay mandray Ahy dia mandray lzay naniraka Ahy» (Mat 10. 40)
Fanontaniana:
lza no mpanompon’Andriamanitra efa noraisinao ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM