Andriamanitra manafaka

Mofonaina anio: Talata, faha 20 Jona 2023

EKSODOSY 14.23-31

EKSODOSY 14.23-31
23 Dia nanenjika azy ny Egyptiana ka niditra nanaraka azy teo afovoan'ny ranomasina, dia ny soavalin'i Farao rehetra sy ny kalesiny ary ny mpitaingin-tsoavaliny. 24 Ary tamin'ny fiambenana maraina dia nijery ny tobin'ny Egyptiana tao amin'ny andri-afo sy ny rahona Jehovah ka nampifanaritaka ny tobin'ny Egyptiana. 25 Ary nanala ny kodian'ny kalesiny Izy ka nampahasarotra ny nandehanany, dia hoy ny Egyptiana: Aoka handositra ny tavan'ny Isiraely isika, fa Jehovah no miady amin'ny Egyptiana ho an'ireo. 26 Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Ahinjiro eo ambonin'ny ranomasina ny tananao, mba hikatonan'ny rano amin'ny Egyptiana mbamin'ny kalesiny sy ny mpitaingin-tsoa valiny. 27 Dia nahinjitr'i Mosesy teo ambonin'ny ranomasina ny tànany, ka nikatona ho tahaka ny teo ny ranomasina, rehefa nadiva ho maraina ny andro; ary ny Egyptiana nandositra, kanjo nitsena ny rano ihany izy, dia narian'i Jehovah teo afovoan'ny ranomasina ny Egyptiana. 28 Ary dia nikatona ny rano ka nanarona ny kalesy sy ny mpitaingin-tsoavaly, dia ny miaramilan'i Farao rehetra izay niditra teo amin'ny ranomasina nanenjika ny Zanak'Isiraely; koa tsy nisy niangana na dia iray akory aza. 29 Fa ny Zanak'Isiraely kosa nandeha tamin'ny tany maina teo afovoan'ny ranomasina; ary ny rano dia tonga fefy ho azy teo amin'ny ankavanany sy teo amin'ny ankaviany. 30 Izany no namonjen'i Jehovah ny Isiraely tamin'izany andro izany mba tsy ho azon'ny Egyptiana; ary hitan'ny Isiraely teny amoron'ny ranomasina ny fatin'ny Egyptiana. 31 Ary rehefa hitan'ny Isiraely ny asa lehibe izay nataon'ny tànan'i Jehovah tamin'ny Egyptiana, dia natahotra an'i Jehovah ny olona ka nino an'i Jehovah sy Mosesy mpanompony.

Andriamanitra manafaka

1-Manao zavatra tsy takatry ny saina

Toy ny nofinofy, izany hoe : « tany maina teo afovoan’ny ranomasina » kanefa izany indrindra no natoan’Andriamanitra hodiavin’ny olona .Maro be ny endrika ranomasina mandifotra sy manafotra antsika ankehitriny fa raha mametraka ny adintsika amin’Andriamanitra isika dia tanterahiny amintsika ny and 14 ka tonga tany maina ny ranomasina diavintsika .Jereo ny and 25 fa resy lahatra ny Egyptiana fa Jehovah mihitsy no mandray anjara amin’ny adin’ny olony .Moa tsy izany koa no nataon’i Jesoa ho antsika ? Izy no miady ho antsika hatramin’izao , « kanefa amin’izany rehetra izany dia manoatra noho ny mpandresy isika amin’ny alalan’Ilay tia antsika  » (Rom 8.37)

2-Mandringana ny fahavalo

Nampiasain’Andriamanitra ny ranomasina ho toy ny fefy teo ankavanana sy ankavian’ny olony ary izany ihany koa no nakatony ka nandringanany ny fahavalon’ny olony .Andriamanitra mandray anjara amin’ny ady atrehan’ny olony no hitantsika eto . Ny fitaovam-piadiana tsara sy mety indrindra tamin’izany no nentin’ny miaramila Egyptiana ,saingy tsy nahatohitra ny fitaovam-piadiana nandringanan’i Jehovah azy ireo .Moa tsy toy izany koa ve no hataon’ny fahavalontsika ? Ny famonoana ho faty an’i Jesoa no toy ny fitaovam-piadiana teo am-pelatànan’ny devoly ,saingy nampiasain’Andriamanitra izany ho fanavotana antsika . »Fa fony mbola tsy nanan-kery isika , dia maty Kristy tamin’ny fotoanandro hamonjy ny ratsy fanahy » (Rom 5.6)

Fanontaniana :

Inona no fitaovam-piadiana ataon’ny satana tena atahoranao?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM