Fanahin’iJehovah no ao Aminy
Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 19 Jona 2023
LIOKA 4.14-22
LIOKA 4.14-22
14 Ary Jesosy niverina tamin'ny herin'ny Fanahy nankany Galilia; dia niely tamin'ny tany rehetra manodidina ny lazany. 15 Ary Izy nampianatra teny amin'ny synagogan'ny olona ka nankalazain'izy rehetra. 16 Dia tonga tao Nazareta, izay nahabe Azy Izy; ary araka ny fanaony dia niditra tao amin'ny synagoga tamin'ny andro Sabata Izy ka nitsangana hamaky teny. 17 Dia natolotra Azy ny bokin'Isaia mpaminany; ary nony namelatra ny boky Izy, dia nahita ny teny voasoratra hoe: 18 Ny Fanahin'i Jehovah no ato amiko, Satria nanosotra Ahy hitory teny soa mahafaly amin'ny malahelo Izy; Naniraka Ahy hitory fandefasana amin'ny mpifatotra Izy, Sy fampahiratana amin'ny jamba, Hanafaka izay nampahorina, 19 Hitory ny taona ankasitrahan'i Jehovah (Isa. 61. 1, 2). 20 Ary rehefa nahorony ny boky ka naveriny tamin'ny mpanao raharaha, dia nipetraka Izy. Ary nandinika Azy ny mason'izay rehetra teo amin'ny synagoga. 21 Ary Jesosy niteny taminy hoe: Androany no efa tanteraka eto anatrehanareo izany soratra izany. 22 Ary izy rehetra nankalaza Azy sady talanjona noho ny tenin'ny fahasoavana naloaky ny vavany, ka hoy izy: Tsy Zanak'i Josefa va Ity?Fanahin’iJehovah no ao Aminy
1-Hanafaka antsika
Jesoa tenany no efa nambaran’ny Soratra Masina izay novakiany eto ka nitenenany hoe : « androany no efa tanteraka eto anatrehanareo izany soratra izany« . Teny nolazain’i Isaia mpaminany fahzay izany ary tanteraka ankehitriny .Efa voatokana ho amin’izany asa iJesoa ary izany no antom-pahatongavany teto an-tany . Mbola miasa manao izany asa izany Izy mandraka ankehitriny.Mbola manolotra ny teniny hanafaka antsika amin’ilay ratsy izay mampahory antsika andro amana alina « ...raha maharitra amin’ny teniko ianareo…ary ny marina hahafaka anareo… » (Jao 8.32).
2-Ka anio no hanatanterahany izany
Androany no efa tanteraka izany ,hoy i Jesoa . Ny hoe: androany dia amin’ity andro ity ka ny talohan’izao hitenenany izao .Izany hoe : efa nanomboka ny asa fanavotana nataon’i Jesoa raha vao namaky izany teny izany izy .Andriamanitra nanatanteraka ny teniny eto sy ankehitriny no asehon’ny Soratra masina ho anao anio .Sady miteny no miasa Andriamanitra .Satria ny Teniny dia ny asany rahateo.Tsarovy àry fa amin’ny fotoana hitenenan’Andriamanitra aminao no hanomboahany ny asa tanterahany ho anao .Hoy i Jeso : » Fa Andriamanitra tsy hanome rariny ny olom-boafidiny va,izay mitaraina Aminy andro amana alina ,ary moa hitaredretra va Izy ? »(Lioka 18.7)
Fanontaniana:
Inona no antony mahatonga ny olona tsy hahandry ny fotoanan’Andriamanitra ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM