Raha ny Tompo no manafaka dia…
Mofonaina anio: Asabotsy, faha 17 Jona 2023
ISAIA 49.8-13
ISAIA 49.8-13
8 Izao no lazain'i Jehovah: Tamin'ny taona fankasitrahana no nihainoako Anao. Ary tamin'ny andro famonjena no namonjeko Anao; Dia hiaro Anao Aho ka hanome Anao ho fanekena ho an'ny olona, mba hanangana ny tany indray sy hampandova ny lova izay efa rava 9 ka hanao amin'ny mpifatotra hoe: Mivoaha, Ary amin'izay ao amin'ny maizina hoe: Misehoa; hihinana eny an-dalana izy, ary na dia any an-tendrombohitra mangadihady aza dia hisy ahitra ho azy ihany; . 10 Tsy ho noana na hangetaheta izy, ary tsy hamely azy ny hainandro migaingaina na ny masoandro; fa Izay mamindra fo aminy no hitarika azy, ary any amin'ny loharano miboiboika no hitondrany azy. 11 Hataoko lalana ny tendrombohitro rehetra, ary hasandratra ny lalambeko. 12 Indreo, tonga avy lavitra ireto; ary, indreo, avy any avaratra sy andrefana ireto, ary avy any amin'ny tany Sinima ireto. 13 Mihobia, ry lanitra! Ary mifalia, ry tany! Ka velomy ny hoby, ry tendrombohitra! Fa Jehovah efa nampionona ny olony sy mamindra fo amin'ny olony mahantra.Raha ny Tompo no manafaka dia…
1-Mihaino Izy ka mamonjy
Ao anaty fahoriana ny olona no miantso sy mila vonjy .Ary asehon’Andriamanitra fa tsy mitampina ny masony ary tsy mitsentsina ny sofiny fa mandre sy mahita ny olony .Ambarany fa anio no andro famonjena , anio no andro fankasitrahana .Ankoatra ny fihainoany dia hamonjy Izy.Tssaroana eto ilay teniny hoe: »Efa hitako tokoa ny fahorian’ny oloko …ary efa reko ny fitarainany ..eny fantatro ny alahelony » (Eks 3.7). Ho antsika indrindra izao teny izao .Izao no fotoana famonjena ho antsika sy taona fankasitrahana ary tena andro andraisany andraikitra hanafaka ny olona izay miantso Azy.Hamoaka ny mpifatotra Izy , dia isika mbola voageja ny aizim-pahoriana sy aizim-pahotana . « Fa efa tonga ny Zanak’olona hitady sy hamonjy ny very » (Lio 19.10)
2-Mamerina ny tontolo ho vao
Tsy hoe :hamoaka ny olona avy ao amin’ny fahoriana lalina fotsiny Andriamanitra fa manomana tontolo tsara voatra hovantaniny ihany koa. Tendrombohitra mangadihady hisy ahitrav,hisy loharano miboiboika hitondrany ny olony. Rava ny tontolo iainana noho ny fahotantsika olombelona ary na ny tany aza tsy mamokatraa ny tany. »raha ny oloko izay nantsoina amin’ny anarako ho avy hanetry tena ka hivavaka sy hitady ny tavako ary hiala amin’ny ratsy fanaony ,dia hihaino any an-danitra Aho ka hamela ny helony ary hahasitrana ny taniny » (2 Tant 7.14) . Jesoa moa efa nampanantena fa Izy ho avy hananantsika fiainana be dia be » (Jao 10.10)
Fanontaniana:
Inona no mbola tsy hahatanterahan’izany amintsika ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM