Ny olona afaka amin’ny fanandevozan’ny ota

Mofonaina anio: Zoma, faha 09 Jona 2023

LIOKA 1.68-75

LIOKA 1.68-75
68 Isaorana anie ny Tompo Andriamanitry ny Isiraely; Fa nitsinjo ny olony Izy ka nanao fanavotana ho azy, 69 Ary nanangana tandro-pamonjena ho antsika Amin'ny taranak'i Davida mpanompony Izy 70 (Araka izay nampilazainy ny mpaminaniny masina hatramin'ny fahagola), 71 Dia famonjena antsika amin'ny fahavalontsika, sy amin'ny tànan'izay rehetra mankahala antsika; 72 Manefa famindram-po amin'ny razantsika Izy Sady mahatsiaro ny fanekeny masina, 73 Dia ny fianianana izay nianianany tamin'i Abrahama razantsika, 74 Hanao izay hahazoantsika hanompo Azy tsy amin-tahotra, Satria afaka amin'ny fahavalontsika isika, 75 Amin'ny fahamasinana sy ny fahamarinana eo anatrehany amin'ny andro rehetra hiainantsika.

Ny olona afaka amin’ny fanandevozan’ny ota

no tena afaka manompo an’Andriamanitra

« Hanao izay hahazoantsika hanompo Azy tsy amin-tahotra satria afaka amin’ny fahavalontsika isika , amin’ny fahamasinana sy ny fahamarinana eo anatrehany amin’ny andro rehetra hiainantsika » (and 74-75)

Faminaniana nataon’i Zakaria ,rain’i Jaona mpanao batisa no ambara eto , satria io zanany io no hialoha làlana an’i Jesoa Kristy hanomana ny fon’ny olona handray Azy . I Jaona zanany no hitory ny batisan’ny fibebahana mba hialan’ny olona amin’ny fahotana izay nanandevo.Rehefa andevozin’ny fahotana mantsy ny olona dia tsy avelany hanompo an’Andriamanitra amin’ny fahamarinana sy ny fahamasinana.Ny olona afaka tamin’ny fanandevozana ihany no mahay manompo an’Andriamanitra .Nanafaka ny Zanak’Israely tamin’ny fanandevozana tany Egypta Andriamanitra , rehefa izany vao nomena ny lalàna ho azy ireo mba hahafahany manompo tsara Azy .

Raha mbola misy ota mamatotra antsika dia sahirana isika ,mba tsy hitenenana hoe: tsy mahavita mihitsy ny manompo an’Andriamanitra .Atao ahoana moa ny fitory hoe: aza mangalatra ,ratsy io fa ialao,nefa isika aza mangalatra amin’ny fomba mihaja.Tsy mahavita manao ny asan’Andriamanitra tsara ny kristiana raha mbola misy fahotana mamatotra azy.Izany fahotana izany no antony nandefasana an’i Jesoa tety an-tany mba hanafaka antsika amin’izany .Hoy ny voalaza ao amin’ny Matio 1.25 « fa Izy no hamonjy ny olony ho afaka amin’ny fahotany » .Koa meteza isika hovonjeny mba ho olona afaka .

Fanontaniana :

Ianao efa nahita ny fahotan’ny mpitory Filazantsara iray raha nitory izy dia hoy ny olona hoe: Ianao koa àry mba manao toy izao sy toy izao koa…Ahoana ny hevitrao?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM