Fahafahana no iainan’ny vahoakan’Andriamanitra

Mofonaina anio: Alakamisy, faha 08 Jona 2023

JEREMIA 42.7-12

JEREMIA 42.7-12
7 Ary nony afaka hafoloana, dia tonga tamin'i Jeremia ny tenin'i Jehovah. 8 Ary izy niantso an'i Johanana, zanak'i Karea, sy ny mpifehy ny miaramila rehetra izay teo aminy mbamin'ny olona rehetra, na kely na lehibe, 9 ka nanao taminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, Izay efa nanirahanareo ahy mba hoborahiko* eo anatrehany ny fifonanareo:[Heb. hampiankohoka] 10 Raha mbola honina amin'ity tany ity ihany ianareo, dia haoriko ianareo, fa tsy horavako, ary hamboleko ianareo, fa tsy hongotako, fa manenina Aho ny amin'ny loza namelezako anareo. 11 Aza matahotra ny mpanjakan'i Babylona izay atahoranareo; eny, aza matahotra azy, hoy Jehovah, fa momba anareo Aho hamonjy sy hanafaka anareo amin'ny tànany. 12 Ary hataoko mahita famindram-po ianareo, dia hamindra fo aminareo izy ka hampody anareo ho any amin'ny taninareo.

Fahafahana no iainan’ny vahoakan’Andriamanitra

na dia fehezin’ny mpitondra azy aza ireo (and11,12)

Tsy neken’ny vahoaka Jiosy mihitsy ny hahatongavan’ny mpanjakan’ny Babylona hanapaka azy ireo .Na dia tsy tiany aza izany dia tsy maintsy ho tanteraka satria izany no sitrapon’Andriamanitra .Rehefa hitan’ireo Jiosy fa tanteraka ireo voalazan’i Jeremia avy amin’Andriamanitra dia niezaka nanaraka izy ireo , notapahan’i Gedalia governora napetraky ny fanjakana Babylona tao Joda.Eto i Jeremia dia milaza ny Tenin’i Jehovah ny mba hanekena ny mpitondra ara-panjakana izay ekeny hitondra azy ireo .Araka izany , tsy tokony hatahotra ny mpitondra mifidy azy izy ireo satria io fanjakana Babyloniana io dia fanjakana nofidin’Andriamanitra hifehy mandritra ny fotoana voafetra ka tsy tokony hahatsiaro ho voageja izy ireo , na dia tsy mpitondra araka ny eritreriny aza no mitondra .

Ny fahafahana dia tsy izay eritreretintsika fa izay sitrapon’Andriamanitra . Na dia fehezina mpitondra tsy araky ny eritreretintsika aza isika dia tokony hahatsiaro ho olona afaka foana satria ao Aminy no antoky ny fahafahantsika fa tsy miankina amin’ny mpitondra izay mifehy antsika.Hoy ny voalaza hoe : « Ary izay itoeran’ny fanahin’ny Tompo no itoeran’ny fahafahana  » (Rom 1.17b) .Ao amin’i Jesoa Kristy no misy ny fahafahana ho antsika .

Fanontaniana:

Efa misy fotoana ve ianao diso fanantenana tamin’ny mpitondra izay tsy noeritreretinao ? Ahoana no nataonao tamin’izany ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM