Ireo hery izay manandevo dia ny tsy fahafantarana izay tena marina (and31-32)

Mofonaina anio: Alarobia, faha 07 Jona 2023

JAONA 8.31-38

JAONA 8.31-38
31 Dia hoy Jesosy tamin'ny Jiosy izay nino Azy: Raha maharitra amin'ny teniko ianareo, dia ho mpianatro tokoa; 32 ka ho fantatrareo ny marina, ary ny marina hahafaka anareo tsy ho andevo. 33 Ary ireo dia namaly Azy ka nanao hoe: Taranak'i Abrahama izahay, fa tsy mba andevon'olona hatrizay ela izay; koa nahoana no ataonao hoe: Ho afaka ianareo? 34 Jesosy namaly azy hoe: Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa fa izay rehetra manota dia andevon'ny ota. 35 Fa ny andevo tsy mitoetra ao an-trano mandrakariva*; fa ny zanaka no mitoetra mandrakariva*. [*Gr. mandrakizay] 36 Koa raha ny Zanaka no hahafaka anareo, dia ho afaka tokoa ianareo. 37 Fantatro ihany fa taranak'i Abrahama ianareo, nefa mitady hamono Ahy, satria ny teniko tsy mitombo ao anatinareo. 38 Izay efa hitako tamin'ny Ray no lazaiko, ary ianareo kosa manao izay renareo tamin'ny rainareo.

Ireo hery izay manandevo dia ny tsy fahafantarana izay tena marina (and31-32)

« Raha maharitra amin’ny teniko dia ho mpianatro tokoa ka ho fantatrareo ny marina ary ny marina hahafaka anareo tsy ho andevo « . Ny marina izay manandevo ireto Jiosy ireto dia ilay heveriny ho tena ilay tena marina ny momba ny fivavahany .Izay heveriny ho tena izy kanefa « marina sandoka » , satria manilika ilay tena marina dia ny Zanak’Andriamanitra . Nanjavozavo tamin’izy ireo ny amin’i Jesoa ilay tena marina tamin’Izy natao batisa ka nisokafan’ny lanitra ka nitenenan’ Andriamanitra Rainy hoe : « hianao no Zanako malalako, ianao no sitrako » (Mar 1.11)

Tsy fantatra hoe : fatra-pifikitra amin’izay nolovaina tamin’ny razana , sa tahotry ny mpaminany sandoka ka nahatonga azy ireo hametraka hantsana manelanelana an’i Jesoa . Tsy fantany anefa fa i Jesoa no tena Ilay Marina araka ny voalaza hoe:  » Izaho no làlana sy fahamarinana ary fiainana » (Jao 14.6)

Ny fankatoavan-dalàna no nameno ny fony sy ny fanahiny ka nahatonga azy ireo ho andevon’ny lalàna .Lalina loatra ny fankatoavan-dalàna ka na dia efa maningotra ny ain’ny hafa aza , rehefa lalàna dia lalàna . Izany azo lazaina tena andevo . Ireto Jiosy ireto anefa mba mino an’i Jesoa ihany fa voafatotry ny lalàna . Mila fitandremana lehibe ny fampiharana izay rehetra lalàna misy ankehitriny na lalàm-pivavahana io na ara-panjakana ,na ara-piaraha-monina , fa sao lalàna mampisaraka amin’Ilay Mpamonjy . Ao Aminy ihany no fahamarinana manafaka amin’ny fanandevozana ataon’ireo lalàna samihafa ireo . Koa aoka hitandrina .

Fanontaniana:

Aminao , tsy maintsy ampiharina mandrakariva ve ny lalàna satria antoky ny filaminana izany ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM