Olona afaka ny kristiana amin’ny fitandremana ny didin’Andriamanitra
Mofonaina anio: Asabotsy, faha 03 Jona 2023
1 JAONA 5.1-9
1 JAONA 5.1-9
1 Izay rehetra mino fa Jesosy no Kristy dia naterak'Andriamanitra; ary izay rehetra tia Izay niteraka dia tia izay naterany koa. 2 Izao no ahafantarantsika fa tia ireo zanak'Andriamanitra isika, dia ny itiavantsika an'Andriamanitra sy ny ankatoavantsika ny didiny. 3 Fa izao no fitiavana an'Andriamanitra, dia ny hitandremantsika ny didiny, sady tsy mavesatra ny didiny. 4 Fa izay rehetra naterak'Andriamanitra dia maharesy izao tontolo izao; ary ny fandresena izay enti-maharesy izao tontolo izao dia ny finoantsika. 5 Iza moa no maharesy izao tontolo izao afa-tsy izay mino fa Jesosy no Zanak'Andriamanitra? 6 Izy ilay avy tamin'ny rano sy ny rà , dia Jesosy Kristy; tsy tamin'ny rano ihany, fa tamin'ny rano sy ny rà . Ary ny Fanahy no manambara, satria ny Fanahy no fahamarinana. 7 Fa misy telo izay manambara, 8 dia ny Fanahy sy ny rano ary ny rà ; ary mifanaraka tsara izy telo. 9 Raha mandray ny fanambaran'ny olona isika, lehibe lavitra ny fanambaran'Andriamanitra; fa ny fanambaran'Andriamanitra dia ny nanambarany ny Zanany.Olona afaka ny kristiana amin’ny fitandremana ny didin’Andriamanitra
and3 : »fa izao no fitiavana an’ Andriamanitra dia ny hitandremantsika ny didiny sady tsy mavesatra ny didiny «Â
Jaona Apostolin’iJesoa dia olon’ny fitiavana ka izay mihitsy no nahatonga ity teny ambarany ity ,fa raha te-hampiseho fa tia an’Andriamanitra isika dia mitandrina ny didiny .Raha henoina anefa ny hoe : « didy  » di toa manohintohina ny atao hoe fahafahana satria tsy maintsy tanterahana ny didy.Ny didin’Andriamanitra kosa anefa tsy mavesatra satria tsy hoe : « na tiana na tsy tiana « . Mora io rehefa ao am-po ilay fitiavana . Tahaka ny olona iray latsam-pitiavana amin’ny olo-tiany , tanterahany hatrany sitrapon’iny olo-tiany iny na sarotra na mora. Dia toy izany ny didin’iKristy izay sarotra arahana amin’ny tsy kristiana fa mora amin’ny kristiana tena tia Azy .
Ao anaty fahafahana tanteraka no hanatanterahana izany didiny izany ,tsy mavesatra aoa an-tsaina mihitsy . Hoy iPaoly : « Ary izay itoeran’ny Fanahin’ny Tompo no itoeran’ny fahafahana  » (2 Kor 3.17). Araka izany teny izany ny olona manana ny Fanahy Masina dia manam-pitiavana ary izay tia amin’ izany fitiavana an’ Andriamanitra izany dia olona afaka tanteraka .Raha misy olona milaza ho kristiana mitia an’Andriamanitra sy ny namany ka miteny hoe: « tsy fidiny ahy » dia azo lazaina fa kristiana tsy manana ny Fanahy Masina izany olona izany .
Fanontaniana :
Efa nitia an’Andriamanitra sy ny namana tamin’ny fitandremana ny didiny ve ianao, tsy mahatsapa ho voatery ve ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM