Ny Tompo irery ihany no mpanafaka ka mampitsahatra ny fampahorian’ny fahavalo ny olony
Mofonaina anio: Alahady, faha 04 Jona 2023
And 14.15. « Ary hoy i Debora tamin'i Baraka : miakara fa anio no andro hanoloran'i Jehovah an'i Sisera eo an-tananao… dia nampifanaritahan’i Jehovah tamin'ny lelan-tsabatra Sisera teo anoloan’i Baraka sy ny kalesy rehetra ary ny miaramila rehetra Niverina nanota tamin'i Jehovah indray ny Isiraely ka natolotr’i Jehovah teo an-tanan'i Jabina mpanjaka Kananita. Nijaly izy ireo vokatr'izany ka i Debora mpaminany vavy no mpitsara nirahan’Andriamanitra nitarika ny vahoaka hanohitra ny fahavalo nampahory azy ireo ; ary i Baraka no notendreny ho mpitarika ny tafika Isiraely naneho fanahiana ihany izy tamin'ny voalohany ka nolazain'i Debora fa vehivavy no tena hahazo voninahitra handresy an'i Sisera mpitari-tafika kananita. Rehefa nandeha ny ady dia resy ny tafika kananita ka vaky nandositra i Sisera ary maty novoinoin'ny vehivavy iray. Nifarana teo ny fampahoriana ny olon’Andriamanitra.
Mpitsara 4,14 - 21
14 Ary hoy Debora tamin'i Baraka: Miakara, fa anio no andro hanoloran'i Jehovah an'i Sisera eo an-tananao; tsy mivoaka eo anoloanao va Jehovah? Dia nidina Baraka sy ny olona iray alina nanaraka azy, avy tany an-tendrombohitra Tabara. 15 Dia nampifanaritahin'i Jehovah tamin'ny lelan-tsabatra Sisera teo anoloan'i Baraka sy ny kalesy rehetra ary ny miaramila rehetra; dia nidina niala tamin'ny kalesy Sisera ka nandositra nandeha tongotra. 16 Ary Baraka nanenjika nanaraka ny kalesy sy ny miaramila hatrany Haroseta; dia lavon'ny lelan-tsabatra avokoa ny miaramilan'i Sisera rehetra; tsy nisy niangana na dia iray akory aza. 17 Ary Sisera nandositra nandeha tongotra ho any amin'ny lain'i Jaela, vadin'i Hebera Kenita; fa nihavana Jabina, mpanjakan'i Hazora, sy ny mpianakavin'i Hebera Kenita. 18 Dia nivoaka Jaela hitsena an'i Sisera ka nanao taminy hoe: Miakara, tompokolahy, miakara at? amiko; aza matahotra. Ary rehefa niakatra ho ao aminy ao an-day izy, dia norakofany ny lamba firakotra. 19 Ary hoy Sisera taminy: Masìna ianao, omeo rano kely hosotroiko, fa mangetaheta aho izany. Dia nanokatra ny siny hoditra nisy ronono izy ka nomeny hosotroiny; ary dia norakofany indray izy. 20 Dia hoy izy taminy: Mitsangàna eo am-baravaran'ny lay, ka raha tàhiny misy avy ka manontany anao hoe: Misy olona va ato? dia ataovy hoe: Tsia. 21 Dia naka tsima-day Jaela, vadin'i Hebera, sady nitondra tantanana teny an-tànany ka nitsaitsaika nankeo aminy; dia natsatony tamin'ny fihirifany ny tsima-day, ka nihatra tamin'ny tany fa efa renoky ny torimaso Sisera, satria sasatra ka dia maty izy.Ry havana, tsy sitraky ny fon’Andriamanitra mihitsy ny fahorian’ny olona na dia vokatry ny fahotany ihany aza izany ka naniraka olona lay hanafaka Azy ireo Isika koa araka izany dia tsy tokony hanaiky ny handevozin’olona na hery hafa intsony fa isika rehetra dia olona afaka ao amin’i Kristy. Hoy ny voalaza : « Ho amin’ny fahafahana nanafahan’i Kristy antsika, ka tomoera tsara fa aza mety hohazomin’ny zioga fanandevozana intsony ». (Gal 5.1) izany hoe na inona mamatotra sy manandevo antsika dia tsy maintsy atsahatra izany, Jesoa Kristy ihany no afaka manafaka izany. Hoy Izy hoe : « Raha zanaka no manafaka anareo dia ho afaka tokoa ianareo » (Jao 8.36)
Olona afaka ve ianao? Tsy misy zavatra hafa manandevo anao intsony ve?