Ny antoky ny fahafahana
Mofonaina anio: Alakamisy, faha 01 Jona 2023
Iorenan'ny fahafahana ny Tompo
JEREMIA 15.19-21
19 Koa izao no lazain'i Jehovah: Raha hiverina ianao, dia horaisiko indray*, ka dia hitsangana eo anatrehako ianao; Ary raha manavaka ny zava-tsoa hiala amin'ny zava-poana ianao, dia ho solom-bavako; Hanatona anao indray ireny; Fa tsy ianao no hanatona azy,[Heb. hampivereniko] 20 Ary hataoko manda varahina mirova ho amin'ity firenena ity ianao: Hiady aminao izy, nefa tsy hahaleo anao; Fa momba anao hamonjy sy hanafaka anao Aho, hoy Jehovah; 21 Ary hanafaka anao amin'ny tanan'ny ity ratsy fanahy Aho sy hanavotra anao amin'ny tanan'ny mpampahory.Ny antoky ny fahafahana
1-Ny firosoan’ny mpanompon’Andriamanitra amin’ny fanompoana na dia misedra zava-tsarotra aza
« Raha hiverina ianao dia horaisiko indray , ka dia hitsangana eo anatrehako ianao » (and 19a) . Ny hevitr’izany dia hoe : raha mbola hiverina amiko ihany ianao na dia eo aza izany alahelonao izany . Mitovy amin’izany no teny ataon’Andriamanitra amin’izay mpanompony mijoro ka iharan’ny fankahalana ,satria mitondra ny hafany .Tsy mahafaly ny olona rehetra ny Tenin’Andriamanitra fa manitikitika ny fiainany . Làlana tsy maintsy hizorantsika mpanompon’Andriamanitra ny fankahalana , satria hoy iJesoa : » ho halan’olona rehetra ianareo noho ny anarako fa izay maharitra hatramin’ny farany no hovonjena » (Mat 10.22) .Tsy ny fanenjehana no handeha hialana Aminy fa aoka hifikitra na sarotra aza ny manjo.
2-Ny fijoroana amin’ny maha-mpanompony (and 19b,20,21)
Ambaran’Andriamanitra eto fa raha mijoro ho amin’ny fanokanana ny tena tsy hitakosona amin’ny zava-dratsy i Jeremia dia ho solombavany , ho toy ny manda varahina mirova izay tsy ho laitran’ny fahavalony harodana. Ary ny fahavalony dia hanatona azy fa tsy izy no hanatona ireo , satria ho menatra tanteraka . Aoka hijoro amin’ny maha- mpanompon’Andriamanitra mandrakariva isika , hifady ny ratsy sy hanao ny tsara satria miantoka tanteraka ny ho fanafahana amin’ny faharatsiam-panahin’olona izay mihatra amintsika izany . Hoy ny mpanao salamo fa hoe: « Jehovah no harambatoko sy batery fiarovana ho ahy ary Mpamonjy ahy » (Sal 18.2a)
Fanontaniana:
Toy izany Tenin’Andriamanitra izany tokoa ve ny fahafahana handray ny andraintsika ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM