Ny fisehoan’ny Fanahy Masina

Mofonaina anio: Alarobia, faha 31 Mey 2023

ASAN'NY APOSTOLY 2.1-13

ASAN'NY APOSTOLY 2.1-13
1 [Ny nilatsahan'ny Fanahy Masina tamin'ny Andro Pentekosta, sy ny tori-teny nataon'i Petera tamin'izany] Ary nony tonga ny Andro Pentekosta, dia teo amin'ny fitoerana iray izy rehetra. 2 Ary nisy feo tonga tampoka avy tany an-danitra, toy ny rivotra mahery mifofofofo, ka nanenika ilay trano niangonany. 3 Ary nisy lela maro mitarehin'afo niseho taminy, izay nizarazara; ary nipetraka tamin'izy rehetra isan-olona izany. 4 Ary samy feno ny Fanahy Masina izy rehetra, ka dia niteny tamin'ny fiteny maro samy hafa, araka ny nampitenenan'ny Fanahy Masina azy. 5 Ary nisy Jiosy, mpivavaka tsara, nitoetra tany Jerosalema, avy tany amin'ny firenena samy hafa rehetra ambanin'ny lanitra. 6 Ary nony re izany feo izany, dia niangona ny olona maro ka very hevitra, fa samy nahare azy ireo niteny tamin'ny fiteniny avy izy rehetra. 7 Dia talanjona sady gaga izy rehetra ka nanao hoe: Indreo, tsy Galiliana va ireo rehetra miteny ireo? 8 Koa ahoana no andrenesantsika amin'ny fitenintsika avy izay nahabe antsika 9 - dia Partiana sy Mediana sy Elamita, ary mponina any Mesopotamia, sy Jodia sy Kapadokia sy Ponto sy Asia 10 sy Frygia sy Pamfylia, sy Egypta sy ny tany Libya izay manodidina an'i Kyrena, ary vahiny avy any Roma, na Jiosy na proselyta, 11 Kretana sy Arabo - koa ahoana no andrenesantsika ireo miteny amin'ny fitenintsika avy ny asa lehibe ataon'Andriamanitra? 12 Dia talanjona izy rehetra ka niahanahana sady niresaka hoe: Ahoana no tokony ho hevitr'izany? 13 Fa ny sasany nihomehy ka nanao hoe: Leon-divay mamy ireo.

Ny fisehoan’ny Fanahy Masina

Asa mahatalanjona sy mahagaga no nataon’Andriamanitra raha niseho tamin’ny alalan’ny Fanahy Masina noraisin’ireo Apostoly tamin’ny andro Pentekosta Izy .

1-Ren’ny sofina

Trangan-javatra roa mifampitohy no nanaitra ny fandrenesana eto , andaniny ilay « feo tonga tampoka avy tany an-danitra , toy ny rivotra mahery mifofofofo ilay trano niangonany  » izay maneho ny fanatrehan’Andriamanitra , ny heriny sy ny fahefany tsy hay tohaina ; ary ankilany ilay teny « tamin’ny fiteny maro samy hafa , araka izay nampitenenan’ny Fanahy Masina  » an’ireo Apostoly izay milaza ny « asa lehibe ataon’Andriamanitra » .Hatrany amin’ny Testamenta Taloha dia vavahadin-tsaina iray nidiran’Andriamanitra amin’ny fanekena ataony amin’ny olony ny fihainoana « mihainoa ry Israely , Jehovah Andriamanintsika dia Jehovah iray ihany  » (Deo 6.4) , ary mandraka androany dia mbola milaza ny sitrapony amintsika Izy , fa moa ve mba liana sy manongilan-tsofina hihaino izay lazainy tokoa isika ?

2-Hitan’ny maso

Tsy hitan’ny maso ny rivotra , fa ny vokatry ny asany izay mampihetsika ny ravinkazo no hahalalana fa misy izy . Ny Fanahy Masina miseho kosa dia hita tamin’ny alalan’ireo « lela maro mitarehin’afo , izay nizarazara ary nipetraka tamin’izy rehetra isan’olona » .Araka izany dia ny teny madio , voasedra tamin’ny afo no fanomezam-pahasoavana ahitana eo amin’ny olona na ao aminy ny Fanahy Masina na tsia .Tsy voatery hanaiky izany Tenin’ny fahazavana sy fiainana izany avokoa anefa izay mahita fa hisy izay ho very hevitra ary hisy aza izay haneso sy hanaraby .

Fanontaniana:

Ahoana no hahalalana ny olona feno ny Fanahy Masina ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM