Ny Fanahy Masina no manavao ka

Mofonaina anio: Alahady, faha 28 Mey 2023

JOELA 3.1-5

JOELA 3.1-5
1 [Ny amin'ny handatsahana ny Fanahy Masina, sy ny hitsarana ny firenena rehetra] Ary rehefa afaka izany, dia handatsaka ny Fanahiko amin'ny nofo rehetra Aho; Dia haminany ny zanakalahinareo sy ny zanakavavinareo, ny lahiantitrareo hanonofy, ary ny zatovonareo hahita fahitana; 2 Ary na dia ny mpanompolahy sy ny mpanompovavy aza dia handatsahako ny Fanahiko amin'izany andro izany. 3 Ary hanisy fahagagana eny amin'ny lanitra sy et? amin'ny tany Aho, dia rà sy afo ary setroka mitankosina. 4 Ny masoandro hampodina ho aizina, ary ny volana ho rà, alohan'ny hahatongavan'ny andron'i Jehovah, izay sady lehibe no mahatsiravina. 5 Ary na zovy na zovy no hiantso ny anaran'i Jehovah dia ho afa-mandositra; Fa ao an-tendrombohitra Ziona sy any Jerosalema dia hisy sisa afaka, araka izay efa voalazan'i Jehovah, ary izay antsoin'i Jehovah dia ho isan'izay afa-mandositra.

Ny Fanahy Masina no manavao ka :

1-Ny firenena feno loza ho tonga feno mpaminany

Ao amin’ireo toko 1 sy 2 amin’ity Joela ity dia voalaza fa nisy loza isankarazany nanenika ny tanin’Israely satria tezitra tamin’izy ireo Andriamanitra . Na dia izany aza anefa dia hita koa fa niantso ho amin’ny fibebahana ity mpaminany ity , ary rehefa mibebaka ny vahoaka dia hahita tokoa ny asa fanavaozan’ny Fanahy Masina .Araka izay ambaran’ity toko 3 ity dia asa lehibe tokoa no ataon’Andriamanitra amin’ny alalan’ny fanomezany ny Fanahy Masina ,satria tsy no loza toy ny valala sy hain-tany na ny mosary intsony no hameno ny firenena fa olona feno ny Fanahy Masina ka maminany . Ny hoe : maminany dia tsy hafa fa mitondra ny Tenin’Andriamanitra izay mampahafantatra sy mampiomana izao tontolo izao ny amin’ny andron’iJehovah izay ho fitsarana .

2- Ny firenena nahita loza dia ho tonga mahita fahagagana

Efa fahagagana asehon’Andriamanitra voalohany ny hanomezany ny Fanahy Masina ho an’ny « nofo rehetra » , satria mampiseho izany fa sokafan’Andriamanitra ho an’izao tontolo tsy ankanavaka ny fanomezam-pahasoavana .Manamafy izany ny filazana ireo sokajin’olona samihafa , ary ilay tena fahagagana ambaran’ny Joela eto dia mifandray amin’ny fiavin’ ilay andron’iJehovah . Loza ho famaizana sy fitaomana ho amin’ny fibebahana no nampahitan’Andriamanitra an’Israely teo aloha , saingy zava-mahagaga ho famonjena izay rehetra mino kosa ka manafaka tanteraka eo amin’izay tontolo rehetra mampidi-doza no ampaitany izay rehetra maharitra hatramin’ny farany ka manaiky hohavaozin’ny Fanahy Masina mandrakariva.

Fanontaniana :

Mitondra inona ho anao ny ny fanavaozan’ny Fanahy Masina ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM