Andriamanitra miasa ny Fanahy masina ka

Mofonaina anio: Asabotsy, faha 20 Mey 2023

EFESIANA 4.1-10

EFESIANA 4.1-10
1 [Fananarana azy mba hifanara-tsaina sy haharitra ary handroso tsara] Ary noho izany izaho, mpifatotra noho ny amin*'ny Tompo, dia mangataka aminareo mba handeha miendrika ny fiantsoana izay niantsoana anareo, [* Gr. ao amin'] 2 amin'ny fanetren-tena rehetra sy ny fahalemem-panahy, amin'ny fahari-po mifandefitra amin'ny fitiavana, 3 mazoto mitana ny firaisana avy amin'ny Fanahy amin'ny fehim-pihavanana. 4 Iray ny tena, ary iray ny Fanahy, dia toy ny niantsoana anareo ho amin'ny fanantenana iray momba ny fiantsoana anareo; 5 iray ny Tompo, iray ny finoana, iray ny batisa, 6 iray Andriamanitra sady Rain'izy rehetra, Izay ambonin'izy rehetra sy manerana azy rehetra ary ao amin'izy rehetra. 7 Fa samy nomena ny fahasoavana araka ny ohatry ny fanomezan'i Kristy avy isika rehetra. 8 Koa izany no ilazany hoe: Raha niakatra ho any amin'ny avo Izy, dia nitondra olona maro ho babo Ka nanome fanomezana ho an'ny olona (Sal. 68. 18). 9 (Ary ny amin'ny hoe niakatra, inona moa izany, afa-tsy ny efa nidina* ho any ambanin'ny tany koa? [* Na: (nidina aloha)] 10 Izay nidina, dia Izy koa no Ilay niakatra any ambonin'ny lanitra rehetra, hamenoany ny zavatra rehetra.)

Andriamanitra miasa ny Fanahy masina ka:

1-Mampiray ny fiangonana

Tsy sitrak’Andriamanitra mihitsy ny isian’ny fizarazarana eo amin’ny fiangonana. Fa izay rehetra nantsoiny ka namaly tamim-pitiavana sy fahavononana tanteraka dia tian’Andriamanitra ho tena iray. Maro ireo andinin-tsoratra masina milaza izany , ary na dia i Jesoa Kristy Tompo aza dia nanao vavaka manokana mihitsy mba hahatanteraka izany (Jao 17.20-21) . Eto i Paoly dia mitanisa ny amin’ireo toetra tsara ananan’ny mpino mba hitandroana izany firaisan’ny fiangonan’Andriamanitra izany dia ny : « mahatsiaro fa olom-boaantson’ny Tompo ka manetry tena ,malemy fanahy ,maharipo ,mifandefitra amin’ny fitiavana ‘ » ,indrindra indrindra « ny fihazonana tsara ny firaisana amin’ny Fanahy » dia ilay Fanahy iray nanaovana batisa ny mino ho tena iray  » .Araka izany ,ny firaisantsika tsara amin’ny Fanahy Masina no hahatanteraka ny firaisan’ny fiangonana kristiana .

2-Manome ny fahasoavan’Andriamanitra

Ny fahasoavan’Andriamanitra izay lehibe indrindra dia ny famonjena (Efes 2.8-9) .Raisin’izao tontolo izao amin’ny alalan’ny finoana an’i Jesoa kristy Mpamonjy izany famonjena izany . Ary i Jesoa Kristy dia ambaran’ny Soratra masina eto fa nitafy fanetrentena tanteraka ka nanaiky hidina ho any ambanin’ny tany mihitsy aza (and9) .Rehefa nandresy ny mpanjakan’izao fahamaizinana izao Izy dia niverina niakatra ho any an-danitra ho ao amin’ny toeram-boninahitra izay nilaozany ,ka mandray izay rehetra mino Azy hiara-manam-boninahitra Aminy .Omen’Andriamanitra ny fahasoavany ( famonjena ) .Koa andeha horaisintsika amin’ny alalan’ny finoana izany .

Fanontanaiana:

Inona no heverinao fa hampiray ny fianfgonana kristiana ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM