Manaiky iasan’Andriamanitra ve ianao ? Inona no akon’izany eo amin’ny fiainanao ?

Mofonaina anio: Talata, faha 16 Mey 2023

1 SAMOELA 16.14-23

1 SAMOELA 16.14-23
14 Fa ny Fanahin'i Jehovah efa niala tamin'i Saoly, ary nisy fanahy ratsy avy tany amin'i Jehovah nampahatahotra azy. 15 Ary hoy ny mpanompon'i Saoly taminy: Indro, ankehitriny misy fanahy ratsy avy any amin'Andriamanitra mampahatahotra anao. 16 Aoka ny tomponay ankehitriny handidy anay mpanomponao izay eto anatrehanao, dia hitady olona mahay mitendry lokanga izahay; ary rehefa misy fanahy ratsy avy any amin'Andriamanitra tonga aminao, dia hitendry amin'ny tànany izy, ka dia ho tsara ihany ianao. 17 Ary hoy Saoly tamin'ny mpanompony: Mizahà ary olona izay mahay mitendry tsara, ka ento et? amiko. 18 Dia namaly ny anankiray amin'ny zatovony ka nanao hoe: Indro, ny anankiray amin'ny zanak'i Jese Betlehemita no hitako mahay mitendry, sady lehilahy mahery sy mpanafika izy ary mahay mandaha-teny sy lehilahy tsara tarehy, ary Jehovah momba azy. 19 Ary Saoly dia naniraka tany amin'i Jese ka nanao hoe: Iraho hankat? amiko Davida zanakao izay miandry ondry. 20 Ary Jese naka mofo tokony ho zakan'ny boriky iray sy divay iray siny hoditra sy zanak'osy, ka nampitondrainy an'i Davida zanany ho an'i Saoly ireo. 21 Ary Davida tonga tany amin'i Saoly ka nitoetra teo anatrehany; ary tiany indrindra izy, ka dia tonga mpitondra ny fiadiany. 22 Ary Saoly naniraka tany amin'i Jese nanao hoe: Masìna ianao, avelao Davida hitoetra eo anatrehako, fa efa mahita fitia amiko izy. 23 Ary raha nisy fanahy avy tany amin'Andriamanitra tonga tao amin'i Saoly, dia noraisin'i Davida ny lokanga ka notendren'ny tànany; ka dia velombelona sady nanaritra Saoly, ary ny fanahy ratsy niala taminy.

Ity tantaran’i Saoly sy Davida mpanjaka ity dia azo fintinina amin’ny hoe : i Saoly no fisan’Andriamanitra ho amin’ny fisandratan’i Davida , ary i Davida kosa no fiasan’Andriamanitra ho fanavotana an’i Saoly .

1- Loza ny hoe : ialan’ny Fanahin’Andriamanitra

Ny fanahy maha-olona a anatintsika dia toy ny tokotanibe anankiray ,izay sehatra iadian’ny fanahy ratsy sy ny Fanahy Masina , saingy tsy sehatra iharana fotsiny anefa fa tena manana anjara sy tomponandraikitra satria afka misafidy izay tiany handresy ka hahazo vahana ao aminy . Rehefa mitombo amin’ny fankatoavana ny sitrapon’Andriamanitra ny olona dia mandresy sy mahazo vahana ao anatiny ny Fanahin’Andriamanitra , fa rehefa tsy izay kosa dia ny fanahy ratsy no mahazo laka. Hitantsika eto ny loza nanjo an’i Saoly vokatr’izay fialan’ny Fanahin’Andriamanitra tao aminy izay ,satria ny fanahy ratsy tonga ao amin’ny olona dia tsy hanao asa soa na oviana na oviana fa manakorontana sy mamotika tanteraka .

2-Mitaiza fanahy ny mozika henoina

Hatramin’ny ela no efa fantatra fa anisan’ny mampitony ny fo sy saina ary mamelombelona fanahy ny mozika tsara rindra . Fantatr’i satana koa anefa izany ka dia ampiasainy indray koa ny karazana mozika toa mahasarika mba hambaboana ny olona hanaraka azy . Koa fidio tsara izay mozika hohenoina . Marihana koa fa tsy ny mozika akory eto no nandroaka ny fanahy ratsy tao amin’i Saoly fa mitondra fitonia-tsaina mba hahafahana hitodika, hahatsiaro tena ka hiverina, hibebaka amin’Andriamanitra izay hany mpanafaka.

Fanontaniana :

Manaiky iasan’Andriamanitra ve ianao ? Inona no akon’izany eo amin’ny fiainanao ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM