Miavaka ny olona feno ny Fanahy Masina

Mofonaina anio: Asabotsy, faha 13 Mey 2023

54 Ary nony nandre izany izy ireo, dia lotika ny fony, ka nihidy vazana taminy izy.55 Fa Stefana, feno ny Fanahy Masina, dia nibanjina ny lanitra ka nahita ny voninahitr'Andriamanitra sy Jesosy nitsangana teo ankavanan'Andriamanitra,56 dia nanao hoe: Indro, hitako ny lanitra misokatra ary ny Zanak'olona mitsangana eo ankavanan'Andriamanitra.57 Ary ny olona niantso tamin'ny feo mahery sady nanentsin-tadiny ka indray nirodona taminy,58 dia nandroaka azy ho eny ivelan'ny tanàna ka nitora-bato azy, ary ireo vavolombelona dia nametraka ny fitafiany teo anilan'ny tongotry ny zatovo anankiray atao hoe Saoly.59 Ary ny olona nitora-bato an'i Stefana, izay niantso hoe: Ry Jesosy Tompo ô, raiso ny fanahiko.60 Dia nandohalika izy ka niantso tamin'ny feo mahery hoe: Tompo ô, aza atao ho helony anie izao ota izao. Ary rehefa nilaza izany izy, dia nodimandry.

Asan'ny Apostoly 7,54 - 60
54 Ary nony nandre izany izy ireo, dia lotika ny fony, ka nihidy vazana taminy izy. 55 Fa Stefana, feno ny Fanahy Masina, dia nibanjina ny lanitra ka nahita ny voninahitr'Andriamanitra sy Jesosy nitsangana teo ankavanan'Andriamanitra, 56 dia nanao hoe: Indro, hitako ny lanitra misokatra ary ny Zanak'olona mitsangana eo ankavanan'Andriamanitra. 57 Ary ny olona niantso tamin'ny feo mahery sady nanentsin-tadiny ka indray nirodona taminy, 58 dia nandroaka azy ho eny ivelan'ny tanàna ka nitora-bato azy; ary ireo vavolombelona dia nametraka ny fitafiany teo anilan'ny tongotry ny zatovo anankiray atao hoe Saoly. 59 Ary ny olona nitora-bato an'i Stefana, izay niantso hoe: Ry Jesosy Tompo ô, raiso ny fanahiko. 60 Dia nandohalika izy ka niantso tamin'ny feo mahery hoe Tompo ô, aza atao ho helony anie izao ota izao. Ary rehefa nilaza izany izy, dia nodi-mandry.

Miavaka ny olona feno ny Fanahy Masina

1 Mandresy ny sakantsakana rehetra

Ny asan’ny Fanahy Masina ao amin’ny olona no manome hery azy ka afahany manao sy mahavita izay rehetra ampanaovin’ny Tompo azy. «Feno ny Fanahy Masina» i Stefana ka afaka nitory ny Filazantsara sady nanao fahagagana sy famantarana lehibe teo amin’ny vahoaka. Tsy nahasakana azy ny fanoherana nataon’ireo Loholona sy Mpanoradàlana ary ny fiampangana azy teo anatrehan’ny Synedriona. Ny fampihorohorona sy ny fitondrana azy eo amin’ny manampahefana, izay noheverina fa hahatonga azy hihemotra amin’ny fanarahana an’i Jesoa no vao mainka nampitombo ny hafanam-pony hanambara ny fahadisoan’ny olona izay manohitra ny Fanahy Masina (Asa.7:52)

2 Mijoro hatramin’ny fara-fofonainy

Tezitra ireo manampahefana noho ny fahamarinana izay nambara taminy, ka ny hamono an’i Stefana no masaka tao an-tsainy. Ao anatin’ny fotoan-tsarotra lalovan’ny mpitory Filazantsara no isehoan’ny voninahitr’Andriamanitra sy ampaherezan’ny Fanahy Masina azy. Ny olona mitazana ety ivelany no mety hihevitra fa mijaly sy mahantra ny mpanara-dia an’i Kristy, fa Stefana kosa mahita ny voninahitr’Andriamanitra sy Jesoa mitsangana eo ankavanan’Andriamanitra, mialoha ny hamoizany ny ainy. Izany fahitana izany dia midika fandresena ho azy hatramin’ny ora farany handaozany ny fiainana feno fahoriana ety an-tany; sady vavahady misokatra ho amin’ny fianana mandrakizay. Eto no hanamarinana ny tenin’i Jesoa hoe «Aoka ho mahatoky hatramin’ny fahafatesana ianao, dia homeko anao ny satroboninahitra fiainana.» (Apo.2,10)

Fanontaniana

Inona no sakana efa nihoaranao tamin’ny fanarahana ny Tompo?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM