Miasa amin’ny Fanahiny ny Tompo

Mofonaina anio: Alarobia, faha 10 Mey 2023

JAONA 14.25-26

JAONA 14.25-26
25 Izany teny izany dia efa voalazako taminareo raha mbola mitoetra eto aminareo Aho; 26 fa ny Mpananatra*, dia ny Fanahy Masina, Izay hirahin'ny Ray amin'ny anarako. Izy no hampianatra anareo ny zavatra rehetra sy hampahatsiaro anareo ny zavatra rehetra izay nolazaiko taminareo. [Gr. Parakleto, dia Mpanampy, na Mpampahery, na Solovava]

Miasa amin’ny Fanahiny ny Tompo

« …Ny Fanahy Masina ,izay irahin’ny Ray amin’ny Anarako. Izy no hampianatra anareo ny zavatra rehetra sy hampahatsiaro anareo ny zavatra rehetra izay nolazaiko taminareo »

1-Izy no hampianatra anareo ny zavatra rehetra

Efa nanmpanantenain’i Jesoa ny mpianany talohan’ny nanomboana Azy ny amin’ny fanomezana ny Fanahy Masina .Ny Mpananatra , dia ny Fanahy Masina izay hirahin’ny Ray amin’ny Anarany no hampianatra ny zavatra rehetra izay nolazain’ny Tompo. Maro tamin’ny teny izay nolazain’iJesoa no tsy mazava tamin’ny mpianatra ,indrindra fa ny zava-miafina momba ny famonjena . Ary mba toy izany koa isika . Tsy hazava amintsika avy hatrany izay tian’Andriamanitra hambara ao amin’ny Soratra Masina raha tsy eo ny asan’ny Fanahy Masina izay hampianatra antsika…Marihana fa ny fitarihan’ny Fanahy Masina dia tsy hanohitra na oviana na oviana izay efa nolazain’iJesoa .

2-« …sy hampahatsiaro anareo ny zavatra rehetra … »

Amin’ny fotoana handaozan’i Jesoa ny mpianany dia ho maro ny zavatra mety hanahirana amin’ny asa izay ampanaovina azy .Amin’izany dia mety hanadino sy tsy hahatsiaro izay rehetra efa nampanantenaina sy nampianarina azy ny mpianatra .Ny Fanahy Masina no hampahatsiahy izany . Mampahatsiaro antsika izay rehetra efa nolazain’ny Tenin’Andriamanitra tamintsika ny Fanahy Masina mba hananantsika toky sy hery eo am-panatanterahana ny asa fitoriana ny Filazantsara. Ny Fanahy Masina izay mitoetra ao amintsika no hamerina antsika indray hibanjina ny fandresena izay efa vitan’i Jesoa teo amin’ny hazo fijaliana ka hananantsika finoana sy fanantenana ny amin’ny fiainana mandrakizay .

Fanontaniana :

Inona no hamantarana ny olona tarihan’ny Fanhy Masina ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM