Jesoa no fiainam-baovao ho antsika

Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 08 Mey 2023

JAONA 20.19-23

JAONA 20.19-23
19 Ary rehefa harivan'ilay andro voalohany amin'ny herinandro, raha voarindrina ny varavaran'izay niangonan'ny mpianatra, noho ny fahatahorany ny Jiosy, dia tonga Jesosy ka nitsangana teo afovoany, dia nanao taminy hoe: Fiadanana ho anareo. 20 Ary rehefa nilaza izany Izy, dia nasehony azy ny tànany sy ny lanivoany. Dia faly ny mpianatra, raha nahita ny Tompo. 21 Ary hoy indray Jesosy taminy: Fiadanana ho anareo; tahaka ny nanirahan'ny Ray Ahy no anirahako anareo kosa. 22 Ary rehefa nilaza izany Izy, dia nanisy fofonaina, ka hoy Izy taminy; Raiso ny Fanahy Masina; 23 na helok'iza na helok'iza no avelanareo, dia voavela izany; ary na an'iza na an'iza kosa no tsy avelanareo, dia tsy voavela izany.

Jesoa no fiainam-baovao ho antsika

Ny zava-niseho taorian’ny nitsanganan’ny Tompo tamin’ny maty no ambaran’ny Soratra Masina amintsika anio .

1-Niseho tamin’ny mpianatra Izy

Ny marainan’ny andro voalohany tamin’ny herinandro no nisehoany nitsangana teo afovoan’ny mpianatra izay mbola niaina tao anatin’ny tahotra sy ny famiozam-po .Raha iverenena ny tantara dia ny andro voalohany amin’ny herinandro koa no hahalalana fa nitsangana tamin’ny maty ny Tompo (Jao 20.1à . Vaovao mahafaly momba an’i Kristy mpandresy izany ka ankalazana sy anomezam-boninahitra Azy isaky ny andro voalohany amin’ny herinandro .

2-Manonona « fiadanana« ho antsika Izy

« Fiadanana ho anareo » (and21) .Izany no voalohan-teny nataony tamin’ny mpaiantra .Teny fiarahabana fanaon’ny Hebreo izany sady tsodrano .Ny fampiasan’i Jesoa izany teny izany ho an’ny mpianany dia mba hananan’izy ireo fitonian-tsaina hialan’ny tahotra sy ny tebiteby samihafa noho ny toe-java-misy niainany ,mba hananany fifaliana tanteraka .Maniraka antsika fiangonana , tahaka ny nanirahan’ny Ray Azy ny Tompo mba hitondra fiadanana ho an’izay miaina ao anatin’ny tebiteby sy ny tsy fandriampahalemana .

3-Manome ny Fanahy Masina Izy

Ny fampiasan’ny mpanoratra ny andianteny hoe : « nanisy fofonaina » (and22) dia nampahatsiahy ny tantaran’ny faharian’Andriamanitra ny olombelona (Gen 2.7) . Ny fanomezana ny Fanahy Masina no mahatonga izay rehetra mandray izany ho olombaovao . Ny Fanahy Masina no hgitari-dàlana antsika ho amin’ny fandresena ny fahotana rehetra .Raiso ny Fanahy Masina .

Fanontaniana:

Ahoana àry ny fomba handraisantsika ny Fanahy Masina ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM