Jesoa zanak’Andriamanitra
Mofonaina anio: Asabotsy, faha 06 Mey 2023
ASAN'NY APOSTOLY 1.1-14
ASAN'NY APOSTOLY 1.1-14
1 [Fitarihan-teny sy filazana ny nanafaran'i Jesosy ny mpianany, sy ny nisarahany taminy, raha niakatra ho any an-danitra] Ry Teofilo, ilay boky voalohany dia nosoratako ny amin'izay nataon'i Jesosy sy nampianariny, 2 hatramin'ny andro nampiakarana Azy, rehefa nodidiany tamin'ny Fanahy Masina ny Apostoly izay nofidiny, 3 sady niseho koa tamin'ny famantarana maro taorian'ny nijaliany fa velona Izy, ka niseho taminy efa-polo andro Izy ary nilaza ny amin'ny fanjakan'Andriamanitra. 4 Ary raha niara-niangona* teo aminy Jesosy, dia namepetra azy tsy hiala an'i Jerosalema, fa hiandry ny teny fikasan'ny Ray, izay efa renareo tamiko, hoy Izy; [*Na: niara-nihinana] 5 fa Jaona nanao batisa tamin'ny rano; fa ianareo kosa hatao batisa amin'ny Fanahy Masina, rehefa afaka andro vitsivitsy. 6 Koa izay tafangona teo dia nanontany Azy hoe: Tompoko, amin'izao va no hampodianao ny fanjakana ho amin'ny Isiraely? 7 Fa hoy kosa Izy taminy: Tsy anareo ny hahalala ny andro na ny fotoana izay efa notendren'ny Ray amin'ny fahefany ihany*. [*Na: izay nataon'ny Ray ho adidin'ny tenany ihany] 8 Fa hahazo hery ianareo amin'ny hilatsahan'ny Fanahy Masina aminareo, ary ho vavolombeloko any Jerosalema sy eran'i Jodia sy Samaria ary hatramin'ny faran'ny tany. 9 Ary rehefa nilaza izany Jesosy, dia nakarina Izy, raha mbola nijery izy ireo; ary nisy rahona nitondra Azy, ka tsy hitan'ny masony intsony Izy. 10 Ary raha mbola nandinika ny lanitra izy ireo tamin'ny nandehanan'i Jesosy, indreo, nisy roa lahy teo anilany niakanjo akanjo fotsy, 11 izay nanao hoe: Ry lehilahy Galiliana, nahoana no mijanona eto mijery ny lanitra ianareo? iny Jesosy Izay nampiakarina niala taminareo ho any an-danitra iny dia mbola ho avy tahaka ny nahitanareo Azy niakatra ho any an-danitra. 12 Ary izy ireo niverina tany Jerosalema, rehefa avy teo amin'ny tendrombohitra atao hoe Oliva, izay akaikin'i Jerosalema (araka izay mety haleha amin'ny Sabata). 13 Ary rehefa tafiditra izy, dia niakatra ho any an-trano ambony, izay fitoerany, - dia Petera sy Jaona sy Jakoba sy Andrea, Filipo sy Tomasy, Bartolomeo sy Matio, Jakoba zanak'i Alfeo, sy Simona Zelota ary Jodasy, zanak*'i Jakoba. [* Na: rahalahin'] 14 Ireo rehetra ireo niray saina naharitra nivavaka mbamin'ny vehivavy sy Maria, renin'i Jesosy, ary ny rahalahiny.Jesoa zanak’Andriamanitra
Misongadina amin’ity perikopa anio ity ireto hevi-dehibe izay azo ambara fa fototry ny finoantsika ireto :
1-Nitsangana tamin’ny maty i Jesoa (and3)
Mampiseho ny maha-zanak’Andriamanitra Azy ny fitsanganany tamin’ny maty .Izany no famantarana lehibe omen’Andriamanitra antsika ka mahatonga antsika hahalala an’i Jesoa Kristy ho zanak’Andriamanitra .Vavolombelon’izany ireo mpianany izay nisehoany sy nifampiresaka taminy nandritra ny efapolo andro taorian’ny nitsanganany tamin’ny maty . Ary satria nitsangana tamin’ny maty i Kristy ,izay rehetra mino an’i Kristy tafatsangana dia manana fiainana mandrakizay , izany hoe : manana firaisana amin’Andriamanitra ao amin’i Kristy .Mazava ankehitriny fa fahavalo resy ny devoly sy ny fahafatesana ary ny fahotana .
2-Nakarina ho any an-danitra i Jesoa (and9)
Azo lazaina ho « fisarahana » amin’ny mpianany ny fiakaran’i Jesoa ho any an-danitra .Efa niteny i Jesoa hoe: mahatsara anareo ny fialako ,fa raha tsy hiala Aho dia tsy ho avy aty aminareo ny Mpananatra ,fa raha handeha Aho dia hirahiko aty aminareo Izy (Jao 16.17). Ankehitriny isika dia mandeha amin’ny finoana fa tsy amin’ny fahitana . Maro ny olona nahita maso an’i Jesoa , nefa tsy minoo Azy .Mahatsara antsika ny fialan’i Jesoa , satria irahiny ny Fanhy Masina ho aty amintsika .Ny fitoeran’ny Fanahy Masina ao amintsika dia tena zava-tsarobidy satria izany no handraisantsika heryizay manetsika antsika hitory ny Filazantsara sy hijoro ho vavolombelony manerana ny firenena rehetra .« Fa hahazo hery ianareo amin’ny hilatsahan’ny Fanahy Masina aminareo ,ary ho vavolombeloko any Jerosalema sy eran’i Jodia sy Samaria ary hatramin’ny faran’ny tany » (and8)
Fanontaniana :
Hazavao ny hoe: « mino ny fitsanganan’ny tena amin’ny maty »
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM