Mampandresy ny mpanompony Andriamanitra

Mofonaina anio: Alakamisy, faha 04 Mey 2023

MPITSARA 6.33-40

MPITSARA 6.33-40
33 [Ny nandresen'i Gideona ny Midiana] Ary ny Midiana rehetra sy ny Amalekita ary ny zanaky ny atsinanana nivory, dia nita ka nitoby teny amin'ny tany lemaka Jezirela. 34 Ary notsindrian'ny Fanahin'i Jehovah Gideona, dia nitsoka anjomara izy, ka nivory nanaraka azy ny Abiezrita. 35 Ary naniraka olona nankany amin'ny Manase rehetra izy, dia nivory nanaraka azy ireo; ary naniraka olona tany amin'ny Asera sy ny Zebolona ary ny Naftaly izy; dia niakatra nitsena azy koa ireo. 36 Ary hoy Gideona tamin'Andriamanitra: Raha ny tanako no hamonjenao ny Isiraely araka izay efa nolazainao, 37 indro, hapetrako eo amin'ny famoloana ity volon'ondry iray manontolo ity, ka raha ny volon'ondry ihany no lenan'ny ando, fa maina ny tany rehetra, dia ho fantatro fa ny tanako no hamonjenao ny Isiraely araka izay efa nolazainao. 38 Ary dia nisy izany; fa nifoha, maraina koa izy, ka nofiazany ny volon'ondry, ary nisy ranon'ando eran'ny lovia. 39 Ary hoy koa Gideona tamin'Andriamanitra: Aoka tsy hirehitra amiko ny fahatezeranao, fa hiteny izao indray mandeha izao monja aho; aoka mba hizahako izao indray mandeha izao monja amin'ny volon'ondry: aoka ny volon'ondry ihany no ho maina, fa ny tany rehetra kosa no ho lenan'ny ando. 40 Dia nataon'Andriamanitra izany tamin'ny alin'iny, ka ny volon'ondry ihany no maina, fa ny tany rehetra kosa dia lenan'ny ando.

Mampandresy ny mpanompony Andriamanitra

Nanao izay ratsy teo imason’Andriamanitra ny Israelita .Vokatr’izany dia navelan’Andriamanitra hampahory azy nandritra ny fito taona ny Midiana . Rehefa nitalaho tamin’Andriamanitra izy ireo dia novonjeny indray .

1-Manafy hery Izy

Ny teny hoe : « notsindriana » dia midika hoe : « notafiana » na « norakofana« .Fomban’Andriamanitra ny mifidy sy manendry olona hanatanterahany ny famonjeny .Hitantsika izany tamin’ny niantsoany an’i Mosesy hanafaka ny Zanak’Israely tany Egypta . Eto indray dia i Gideoana no nantsoiny sy nofidiny hanehoany ny fitiavany ,ka hamonjeny ny Israelita eo an-tànan’ny Midiana . Miasa amin’ny alalan’ny Fanahiny tao amin’i Gideona Andriamanitra .Ny Fanahin’Andriamanitra izay nandrakotra azy no hery nanetsika azy ka nananany fahasahiana hitsoka anjomara sy hamory ny vatan-dehilahy rehetra avy amin’ny fokon’i Manasse sy Asera sy Zebolona ary Naftaly mba hifanandrina sy handresy ny Midiana .

2-Manome toky Izy

Amin’ny maha-olombelona an’i Gideona dia mbola nitoetra tao aminy ny tahotra sy ny ahiahy manoloana izao andraikitra lehibe nanendren’ny Tompo azy izao .Nangataka famantarana izy , mba hahalalany sy ananany toky fa momba azy tokoa Andriamanitra ka hampandresy azy amin’ny ady izay atrehany. Indroa izy no nanao izany (and 36-39). Amin’izao androntsika izao dia ataovy ampy ho antsika ny Tenin’i Jesoa hoe:  » …indro Izaho momba anareo mandrakariva ambara-pahatongan’ny fahataperan’ izao tontolo izao  » (Mat 28.20). Ny Fanahy Masina izay miasa no hanome famantarana sy toky fa mampandresy antsika ny Tompo .

Fanontaniana :

Azonao antoka ve fa mampandresy anao ny Tompo? Hazavao .

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM