Kristiana mahay miara-monina
Mofonaina anio: Alarobia, faha 03 Mey 2023
1 TESALONIANA 5.12-21
1 TESALONIANA 5.12-21
12 [Fananarana sy fanaovam-beloma] Ary mangataka aminareo izahay, ry rahalahy, mba hekenareo izay mikely aina eo aminareo sy mitondra anareo amin'ny Tompo ary mananatra anareo, 13 ary mba hohajainareo indrindra amin'ny fitiavana izy noho ny asany. Mihavàna tsara. 14 Ary mananatra anareo izahay, ry rahalahy; anaro izay tsy mitoetra tsara; omeo toky ny malemy saina; ampaherezo ny reraka; mandefera amin'ny olona rehetra. 15 Tandremo mba tsy hisy hamaly ratsy olona; fa miezaha mandrakariva hitady izay tsara, na amin'ny namanareo na amin'ny olona rehetra. 16 Mifalia mandrakariva. 17 Mivavaha, ka aza mitsahatra. 18 Misaora amin'ny zavatra rehetra; fa izany no sitrapon'Andriamanitra ao amin'i Kristy Jesosy ho anareo. 19 Aza mamono ny Fanahy. 20 Aza manao tsinontsinona ny faminaniana. 21 Fantaro ny zavatra rehetra; hazòny mafy izay tsara.Kristiana mahay miara-monina
Asehon’ny Soratra Masina antsika anio ny tokony ho fiaraha-monin’ny samy kristiana .
1-Kristiana manaja mpitondra fiangonana
Efa voalaza ao amin’ny didy folo rahateo ,fa ny fanajana ny ray amandreny dia mitondra soa sy fitahiana .Tsy ny ray sy reny niteraka ihany no tokony hajaina sy eken-teny ,fa eo koa ny mpitondra fiangonana izay voatendrin’ny Tompo hitarika sy hananatra ny vahoakan’Andriamanitra . »Ary mangataka aminareo izahay ,ry rahalahy mba hekenareo izay mikely aina eo aminareo sy mitondra anareo amin’ny Tompo ary mananatra anareo ». Endriky ny fankatoavana an’Andriamanitra izany ,satria izy ireny no mpitondra hafatra avy amin’Andriamanitra (and20) . Mirindra ny fiaraha-monina rehefa manao araka ny andraikitra napetraka taminy ny tsirairay (and19) hanao ny asany araka ny tokony ho izy ny mpitondra , ary ny vahoakan’Andriamanitra kosa hankato.
2-Kristiana miara-miasa sy mifanampy
Ny fiaraha-monin’ny samy kristiana no tokony ho modely ho an’ny olona rehetra .Ny fiombonan’ny mpino anefa dia ivondronan’ny karazan’olona samy hafa . Anjaran’ny matanjaka ny mampahery sy mananatra ny malemy ,ka hoy ny Apostoly : « Ary mananatra anareo izahay ry rahalahy , anaro izay tsy mitoetra tsara ,omeo toky ny malemy saina ,ampaherezo ny reraka » (and14). Ankoatran’izany dia ilaina ny fahaiza-mandefitra sy ny tsy fiezahana hamaly ratsy , ary koa hifanasoa . Ny fiainam-bavaka sy ny fandinihana ny Tenin’Andriamanitra eo ambany fitarihan’ny Fanahy masina no antoka hahatanterahana izany mba ho tena fiainam-pifaliana tokoa no iainan’ny samy kristiana .
Fanontaniana:
Azo heverina ve ny fisian’ny samy kristiana tsy mifankatia? Inona no antony ? Inona no vahaolana?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM