Azo resena ny fakampanahy
Mofonaina anio: Talata, faha 02 Mey 2023
Matio 4,1 - 11
1 Ary Jesosy dia nentin'ny Fanahy nankany an-efitra, mba halain'ny devoly* fanahy.[*Devoly = mpiampanga, na mpanendrikendrika] 2 Ary nifady hanina efa-polo andro sy efa-polo alina Izy, koa nony afaka izany, dia noana. 3 Dia nanatona ny mpaka fanahy ka nanao taminy hoe: Raha Zanak'Andriamanitra Hianao, dia teneno ho tonga mofo ireto vato ireto. 4 Fa Izy kosa namaly ka nanao hoe: Voasoratra hoe: Tsy mofo ihany no hiveloman'ny olona, fa ny teny rehetra izay aloaky ny vavan'Andriamanitra (Deo. 8. 3). 5 Ary ny devoly nitondra Azy nankany amin'ny tanàna masina ka nampitoetra Azy teo an-tampon ny tempoly, 6 dia nanao taminy hoe: Raha Zanak'Andriamanitra Hianao, mianjerà any ambany any; fa voasoratra hoe: Izy handidy ny anjeliny ny aminao; Ary eny an-tànany no hitondran'ireo Anao, fandrao ho tafintohina amin'ny vato ny tongotrao (Sal. 91. 11, 12). 7 Hoy Jesosy taminy: Voasoratra hoe koa: Aza maka fanahy an'i Jehovah Andriamanitrao (Deo. 6. 16). 8 Ary ny devoly nitondra Azy Indray nankany an-tendrombohitra avo dia avo ka naneho Azy ny fanjakana rehetra amin'izao tontolo izao mbamin'ny voninahiny, 9 dia nanao taminy hoe: Izao rehetra izao dia homeko Anao, raha hiankohoka eto anatrehako Hianao. 10 Fa hoy Jesosy taminy: Mandehana ianao, ry Satana: fa voasoratra hoe; Jehovah Andriamanitrao no hiankohofanao, ary Izy irery ihany no hotompoinao (Deo. 6. 13). 11 Dia nandao Azy ny devoly, ary indreo, nisy anjely tonga ka nanompo Azy.Azo resena ny fakampanahy
Ireo fakampanahy nahazo an’i Jesoa tany an’efitra dia mety handavo antsika koa. Resin’i Jesoa izany, ary isika koa dia ho mpandresy tahaka Azy. Ireto ny lesona ho antsika anio.
1- Mila mivonona amin’ny ady ara-panahy isika
Vita ny adin’i Jesoa, resiny ny fakampanahy mbamin’ny herin’ilay ratsy rehetra, nandao Azy ny devoly. Anjarantsika izay mpanara-dia Azy ankehitriny indray izao ny miatrika ady. Noho izany dia mila mivonona mandrakariva isika amin’ny fotoana sy ny toerana rehetra. Ny devoly no fahavalo : «Fa isika tsy mitolona amin’ny nofo aman-drà, fa amin’ny fanapahana sy amin’ny fanjakana sy amin’ny mpanjakan’izao fahamaizinana izao, dia amin’ny fanahy ratsy eny amin’ny rivotra.» (Efe.6,12). Tsy mifidy sarangan’olona izy fa izay azony dia harapany. «fa ny devoly fahavalonareo mandehandeha tahaka ny liona mierona mitady izay harapany» (1Pet.5,8)
2- Ny Tenin’Andriamanitra no fiadiana hanoherana azy
Tamin’ireo fakampanahy rehetra nolalovan’i Jesoa dia nampiasainy ny Soratra Masina. Ny Tenin’Andriamanitra ampiasaina araka ny tokony ho izy, eo ambany fitarihan’ny Fanahy Masina no anisan’ny fitaovana tsy maintsy ananan’ny Kristiana hanoherana fakampanahy. Manamafy izany ny Apôstôly Paoly raha nilaza hoe : «Ary raiso ny famonjena ho fiarovan-doha sy ny Tenin’Andriamanitra ho sabatry ny Fanahy» (Efe.6,17). Tsara ho marihina fa nampiasa ny Soratra Masina ny devoly raha naka fanahy an’i Jesoa. Tsy izay rehetra manonona andinin-tSoratra Masina akory dia ho eken-teny avokoa. Ekeo ny fitarihan’ny Fanahy Masina amin’ny fampiasana ny Soratra Masina mba hahalalana ny sitrapon’Andriamanitra.
Fanontaniana
Inona ny fakampanahy mandavo ny olona ankehitriny ? Hazavao.
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM