ANDRIAMANITRA MIASA NY FANAHY MASINA

Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 01 Mey 2023
Mpitsara 3,7 - 11
7 [Ny ratsy nataon'ny Isiraely, sy ny nanirahan'Andriamanitra mpitsara hamonjy azy. Ny tantaran'i Otniela sy Ehoda ary Samgara] Ary nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah ny Zanak'Isiraely ka nanadino an'i Jehovah Andriamaniny ary nanompo ireo Bala sy Aseraha*.[Anaran'andriamani-tsi-izy, na ny sariny] 8 Dia nirehitra tamin'ny Isiraely ny fahatezeran'i Jehovah, ka nivarotra azy ho eo an-tànan'i Kosan-risataima, mpanjakan'i Mesopotamia*, Izy; dia nanompo an'i Kosan-risataima valo taona ny Zanak'Isiraely.[Arama-naharaima] 9 Dia nitaraina tamin'i Jehovah ny Zanak'Isiraely, ary Jehovah nanangana mpamonjy ho an'ny Zanak'Isiraely, izay namonjy azy, dia Otniela, zanakalahin'i Kenaza, zandrin'i Kaleba. 10 Ary ny Fanahin'i Jehovah no tao aminy, dia nitsara ny Isiraely izy sady nivoaka hiady; ary Kosan-risataima, mpanjakan'i Mesopotamia, dia natolotr'i Jehovah teo an-tànany; ary nahery ny tànany ka namely an'i Kosan-risataima. 11 Dia nandry ny tany efa-polo taona. Ary maty Otniela, zanak'i Kenaza.

I- Aza manao izay ratsy eo imason’i Jehovah ( and.7-8)

– Nanadino an’i Jehovah ny Zanak’Isiraely.

– Nanompo ireo Bala sy Aseraha izay sampin’ny jentilisa.

– Vokatr’izany dia tezitra tamin’ izy ireo Jehovah.

Koa tandremo , aza manao izay ratsy eo imasony ianao.

Tandremo ny toetranao. Tandremo ny fitondrantenanao. Tandremo izay ataonao eo imason’Andriamanitra fa hotsarainy ianao. Aza manao ratsy. Hazony mafy izay tsara fa aza mifikitra amin’ny ratsy.

II- Voasazin ‘Andriamanitra izay mivadika Aminy izay mivadika Aminy( and.8)

 » Dia nirehitra tamin’ Isiraely ny fahatezeran’i Jehovah la nivarotra azy tamin’ny mpanjakan’i Mésopotamia Izy » nandritra ny 8 taona.

– Tsarovy fa io Andriamanitrao io dia mety tezitra sady manafay no manasazy .

– Rehefa manao izay ratsy eo anatrehan’ny Tompo ianao dia tezitra aminao Izy. Manafay anao Izy.

– Mitandrema amin’ izay ataonao rehetra fa mitsinjo anao ny mason’i Tompo. Aza miandry fahatezerana vao hiverina Aminy.

III- Mamonjy ny mitaraina i Jehovah (and.9-11)

– Rehefa nitaraina tamin’ Andriamanitra ny Zanak’Isiraely. Nihaino Jehovah ka namonjy azy ireo tamin’ny alàlan’ny Mpitsara izay notendreny hamonjy ny olony.

– Tsy azonao hararaotina amin’izany izany anefa Izy.

Ho anao izay efa nanao ratsy. Mibebaha ka miverena amin’i Jéhovah mba handosiranao amin’ny fahatezeran’Andriamanitra mirehitra.Nandry fahizay nandritra ny 40 taona ny Zanak’Isiraely.

R.Robert Mpitandrina