Maro no hodiovina sy hofotsiana ary hozahan-toetra
Mofonaina anio: Alahady, faha 30 Aprily 2023
DANIELA 2.8-13
DANIELA 2.8-13
8 Fa ny mpanjaka namaly ka nanao hoe: Fantatro marimarina fa mandany andro foana ianareo, satria hitanareo fa efa niloa-bava aho.1 9 Fa raha tsy hampahafantarinareo ahy ny nofy, dia lalàna iray monja no hitondrana anareo; fa ianareo miray tetika hilaza teny lainga sy arirarira foana eto anatrehako mandra-pahatongan'izay andro mahamety*; koa ambarao ahy ny nofy, dia ho fantatro fa mahalaza ny heviny amiko koa ianareo.[Aramiana. mandra-piovan'ny andro] 10 Ny Kaldeana namaly teo anatrehan'ny mpanjaka hoe: Tsy misy olona et? ambonin'ny tany mahay milaza izany nofin*'ny mpanjaka izany; fa tsy mbola nisy mpanjaka, na dia izay lehibe sy mahery aza, nila zavatra toy izany tamin'ny ombiasy sy ny mpisikidy ary ny Kaldeana.[Ar. tenin'] 11 Ary sarotra ny zavatra anontanian'ny mpanjaka, ka tsy misy mahay milaza izany eo anatrehan'ny mpanjaka afa-tsy ireo andriamanitra, izay tsy manam-ponenana amin'ny nofo. 12 Dia vinitra sady tezitra indrindra ny mpanjaka noho izany, ka nasainy naringana ny olon-kendrin'i Babylona rehetra. 13 Ary navoaka ny didy nampamono ny olon-kendry; ary Daniela sy ny namany koa mba notadiaviny hovonoina.Maro no hodiovina sy hofotsiana ary hozahan-toetra
Zavatra roa no azo resahana momba ity fanadiovana sy famotsiana ary fizahantoetra ity :
1- Miresaka ny sehatry ny fanenjehana ireo kristiana izany teny izany ka ny fanenjehana izay nahazo ny kristiana indrindra nohisedrana azy mba ho hita raha mahatoky amin’ny finoana taminy izy ireo na tsia . Amin’izany fiainana izany mantsy dia misy ireo mety hiverina ilalana ka ireo izay mahavita miaritra nolazaina fa « hendry » ka afaka mahafantatra ny zava-miafina eto . Raha tsarovana ny tantaran’ny fivavahana teto Madagasikara dia nisy ny fanenjehana ny kristiana ,ary nisy tokoa ireo olona tsy naharitra izany fizahantoetra izany araka ny voalaza , kanefa nisy tokoa ireo niaritra izany hatramin’ny fahafatesana mihitsy aza . Amin’izany sehatry ny fanenjehana izany dia misy amin’ny olona no maharitra izany fa misy kosa ireo tsy vonona hiaritra mihitsy noho ny tsy finoana ,noho ny tahotra samihafa na noho ny fitiavan-tombotsoa manokana koa.
2-Entina ilazana ny fandresena ny fahafatesana tao amin’iJesoa Kristy , indrindra izany rehefa avy nodiovina sy nofotsiana ary nozahan-toetra Izy tamin’ny fahafatesana dia indro nitsangana tamin’ny maty ,izany hoe : afaka nihoatra izay fanadiovana sy famotsiana ary fizahan-toetra tanteraka rehetra . Araka izany , isika koa dia tsy maintsy handalo fanadiovana sy famotsiana ary fizahantoetra ,ka izay mino Azy , manaiky Azy , mivavaka sy matahotra Azy ary mivonona hiala amin’ny ratsy dia handresy tahaka Azy .
Fanontaniana :
Araka ny hevitrao, ho an’iza ny fanadiovana sy ny famotsiana ary ny fizahantoetra ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM