Ny asa pastoraly ho an’i Petera
Mofonaina anio: Zoma, faha 28 Aprily 2023
JAONA 21.15-19
JAONA 21.15-19
15 Ary rehefa nisakafo izy, dia hoy Jesosy tamin'i Simona Petera: Simona, zanak'i Jaona, moa ny fitiavanao Ahy mihoatra noho ny fitiavan'ireto? Hoy izy taminy: Eny, Tompoko; Hianao mahalala fa tia Anao aho. Dia hoy Izy taminy: Fahano ary ny ondrikeliko. 16 Hoy indray Izy taminy fanindroany: Simona, zanak'i Jaona, moa tia Ahy va ianao? Dia hoy izy taminy: Eny, Tompoko; Hianao mahalala fa tia Anao aho. Dia hoy Izy taminy: Andraso ary ny ondriko. 17 Hoy Izy fanintelony: Simona, zanak'i Jaona, moa tia Ahy va ianao? Dia nalahelo Petera, satria Izy nanao intelo taminy hoe: Moa tia Ahy va ianao? Ka hoy izy taminy: Tompoko, Hianao mahalala ny zavatra rehetra; fantatrao fa tia Anao aho. Hoy Jesosy taminy: Fahano ary ny ondriko. 18 Lazaiko aminao marina dia marina tokoa: Raha mbola tanora ianao, dia nisikina ka nandeha tamin'izay tianao; fa rehefa antitra kosa ianao, dia haninjitra ny tananao, ary olon-kafa no hanikina anao ka hitondra anao amin'izay tsy tianao. 19 Ary izany no nolazainy hanambara ny fomban'ny fahafatesana izay hankalazany an'Andriamanitra. Ary rehefa voalazany izany, dia hoy Izy taminy: Manaraha Ahy.Ny asa pastoraly ho an’i Petera
Na dia tsy mitovy mihitsy aza ny fomba fitantaran’ny Filazantsara tsirairay ny zava-nisy araka ny maha-izy azy ny mpanoratra tsirairay sy ny nifandraisan’izy ireo tamin’i Jesoa Kristy dia azo lazaina hoe : misy itovizany ny venti-kevitry ny Filazantsara rehetra , mitantara ny fitsanganan’ i Jesoa Kristy tamin’ny maty sy ny zava-niseho taorian’izany , indrindra fa ny fanirahana ny mpianatra hanaparitaka ny Filazantsaran’ny fandresena amin’ny olombelona rehetra .
Efa nanambara mantsy i Jesoa Kristy ato amin’ny Filazantsara araka an’i Jaona hoe : handeha Aho dia irahiko ho aty aminareo ny mpananatra hitarika anareo amin’izany .Tonga ny fotoana eto momba izany fanirahana ny mpianatra izany hanohy ny asa natombok’i Jesoa kristy . Eto dia miresaka an’i Petera manokana ny teny .Koa raha haniraka an’i Petera i Jesoa Kristy dia naninona Izy aloha no nanontany intelo an’i Petera ny mahakasika ny fitiavan’i Petera Azy ?
I Petera dia niseho ho tena nafana fo tamin’ny fanarahana Azy mandrakariva .Nialoha làlana ny mpianatra hafa hatrany i Patera eo amin’ny resaka ifanaovana amin’ny Tompo , eo amin’ny zavatra maro samihafa ifandraisan’ny mpianatra aminy ( jereo Mat 26.30-35/ Mar 14.26-31) .Misy mpahay Baiboly milaza hoe: toy ny filohan’ny fikambanan’ny 12 lahy mihitsyi Petera ,izy koa anefa no ilay mpianatra nahavita nandà tanteraka ka nilaza ho tsy nahafantatra an’i Jesoa Kristy rehefa nenjehan’ny Jiosy Izy .
Sao sanatria mbola misy Petera tsy tapa-kevitra any ho any ka manontany anao koa i Jesoa Kristy eto , ahoana marina moa ny tena fitiavanao Azy?
Fanontaniana:
Ahoana no hanaporofoinao sy iainanao fa vonona amin’ny asa fanompoana anirahan’i Jesoa Kristy anao ianao?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM